airtel

Actualités

15-déc-2022

Actualités

Momentum Country and Global Leadership Hanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana

Sample post image

Hanakaiky kokoa ireo mponina izay mila fitsaboana nefa lavitra tobim-pahasalamana, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza sy ny reny, hiady amin’ny COVID-19 sy hampitombo ny isan’ny olona vita vaksiny,

15-déc-2022

ary hampihena ireo karazan’aretina izay mety hahafaty ny zaza nefa azo sorohina,… no tanjon’ny tetikasa MOMENTUM Country and Global Leadership (MCGL) eo ambany fiahiahin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 desambra teo izy ity, hetsika iray izay hampitombo ny vokatra ara-pahasalamana any amin'ny faritra 15 eto amin'ny firenena. “Ny tetikasa MCGL dia hanampy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavola politika, paikady ary fitaovana hanatsarana ny fandaharan’asan’ny fanjakana momba ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara”, hoy ny Tale Lefitry ny Biraon’ny Fahasalamana eo anivon’ny USAID/Madagasikara, Dr. Haja Razafindrafito. Notsipihina fa tanjon ny hameno ireo fandaharanasa momba ny fahasalamana efa misy mba hanatsarana tanteraka ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza any amin'ny faritra tsy afaka misitraka tolotra ara-pahasalamana feno eto amin'ny firenena." Ny tetikasa dia hampiditra fanavaozana toy ny “Human Centered Design”, fomba iray hanampiana ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana hihevitra ny fotoana sy ny toerana itadiavan'ny olona tolotra ara-pahasalamana sy ny fomba hanatonana ankizy bebe kokoa amin'ny fanaovana vaksiny efa mahazatra. Nanomboka ny taona 2020 mantsy dia nihena ny tahan’ny fanaovana vaksiny mahazatra ho an’ny ankizy eto Madagasikara, noho ny tsy fahampian’ny fahazoana fitsaboana. Hampiofana ireo mpanome tolotra ara-pahasalamana tsy miankina amin'ny fenitra nasionalin'ny fitantanana ny vaksiny Covid-19 ary hampitombo ny isan'ny tobim-pitsaboana tsy miankina omena alalana hanome vaksiny noho izany ny MCGL. Ity MCGL ity izay marihina fa ampahany amin'ny hetsika MOMENTUM maneran-tany mandritra ny dimy taona izay mitentina 200 tapitrisa dolara mba hanomezana fanampiana ara-teknika sy hanamafisana ny fahaiza-manao ho an'ny firenena miisa 19 ary hanatsarana ny vokatra ara-pahasalamana ho an'ny vehivavy sy ny ankizy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap