Tsy voatery hijaly ny olona iray saingy ilaina ny mandalo fijaliana mba hahatsapany fa tsy voatery ilaina ny mijaly, hoy ny praiminisitra teo aloha sady filohan'ny antoko politika Monima, Monja Roindefo Zafitsimivalo, namerina ny nambaran'ny manam-pahaizana vahiny malaza, Henry Miller. Tsy misy paikady mitoetra tsy miova rehefa mifanehatra voalohany amin'ny zava-misy eny an-kianja, hoy ihany izy, namerina ny nambaran'ny Maréchal Helmuth von Moltke, izay naverin'ny Jeneraly Colin Powell. Tamim-pahamaivanana lehibe tokoa no nandrenesana ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana fototra teo amin'ny Repoblika islamikan'i Iran sy i Etazonia, izay manamarika dingana lehibe eo amin'ny fikatsahana ny fandriampahalemana, ny fitoniana ary ny filaminana iraisampirenena. Amin'ny maha filoha nasionalin'ny Monima ahy sy Praiminisitra teo aloha teto Madagasikara, ary amin'ny anaran'ireo malagasy maro izay nanaraka tamim-tebiteby ny fivoaran'ity krizy ity sy ny loza mety hateraky ny fiakaran'ny fifandonana ara-miaramila dia maneho ny hafalianay sy ny fanantenanay izahay manoloana izao vahaolana mitondra fanantenana izao. Maniry amim-pahatsoram-po izahay mba haharitra ity fifanarahana ity, hajain'ny andaniny sy ny ankilany, ary hanokatra vanim-potoana vaovao mifototra amin'ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa. Manantena ihany koa izahay fa ny ady eo amin'i Rosia sy i Okrainina dia hahita vahaolana mitovitovy amin'izany tsy ho ela, mifototra amin'ny fifampiresahana, ny fifampiraharahana ary ny fanajana ny tombontsoa ara-drariny ananan'ny andaniny sy ny ankilany. Mpamaky mavitrika an'i Montesquieu ny tenako, indrindra ny bokiny milohateny hoe "Lettres persanes" ary nanana fahafahana ho isan'ireo nandray anjara tamin'ny praograma "Real Estate Development" tao amin'ny Trump University tamin'ny taona 2005. Nandalina ihany koa ireo bokin'i Donald J. Trump maro aho, indrindra ny "Think Like a Champion". Ireo traikefa ara-tsaina ireo dia nanamafy ny lalako amin'ny maha-mpandraharaha ahy teo amin'ny sehatry ny fampandrosoana sy fanajariana toera-ponenana, asa izay efa nirotsahako hatramin'ny taona 2001. Noho izany, tahaka ny olona maro maneran-tany, dia nino hatrany aho fa ny vahaolana mifototra amin'ny fisian'ny Fanjakana roa tonta dia mbola safidy tena azo tanterahina, mamaha olana ary maharitra mba hahafahan'ny vahoaka israeliana sy palestiniana miaina ao anatin'ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fahamendrehana. Na izany aza, tsy ho tanteraka izany raha tsy hamafisina ireo rafitra iraisampirenena marolafy sy ny Fikambanambem-pirenena na "Société des nations", izay tena ilaina amin'ny fitarihana ny fiarahamonina iraisampirenena manoloana ireo fanamby ara-jeopolitika, ara-toekarena ary ara-pandriapahalemana amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tiako ny mankasitraka ny fahalalahan-tsain'ny filoha Donald Trump rehefa heveriny fa ilaina ny mampitsahatra ny fifandonana sy mitady marimaritra iraisana ary koa ny fahamendrehana ny fahatoniana ary ny fahatsapan'andraikitra nasehon'ny vahoaka iraniana, izay mpandova iray amin'ireo sivilizasionina tranainy sy lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny zanak’olombelona. Manantena ihany koa izahay fa ireo hery ara-politika israeliana rehetra dia hahavita haneho toetsaina feno fahendrena sy fahaizana mihoatra ny sakana, tahaka izay efa nahafahana nanatanteraka ireo fandrosoana ara-diplomatika teo aloha, indrindra tamin'ny alalan'ny fifanarahana Abrahama, mba handray anjara maharitra amin'ny fandriampahalemana isam-paritra sy ny soa iombonan'ny fiarahamonina iraisampirenena manontolo. Mitaky herim-po bebe kokoa noho ny ady ny fandriampahalemana. Enga anie ity fifanarahana ity ho porofo vaovao ho amin'izany, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin'i J. Mirija