airtel

Actualités

15-déc-2021

Actualités

Mpamorona didin’akanjo Malagasy “Adikan’ireo mpaka tahaka sy amidiny mora be ny asanay”

Sample post image

Misedra olana ankehitriny ireo mpamorona didin’akanjo na “styliste” Malagasy, raha ny fanazavan’ny tanora mpisehatra eo anivon’izany, Andrianina Rasolomampionona.

15-déc-2021

 Tsy mifaninana akory izahay samy mpamorona, hoy izy, fa ny olana kosa dia ny fandikan’ireo mpaka tahaka na mpanao “confection” ny asanay. Ny asa famoronanay no alain-drizareo dia amidiny mora be. Nanahirana ny nanangana orinasa ho ahy manokana satria 5 volana teo izay no tena nivelomako tamin’ny asa famoronana akanjo, izany hoe, tato anatin’ny fotoanan’ny krizy ara-pahasalamana mihitsy, hoy hatrany ity mpanao gazety teo aloha vao 26 taona ity. Ny karama rehetra voaangona tamin’ny mbola nanao gazety no natontona tany daholo. Fanintelony namoaka vokatra na “collection” izahay izao fa ny roa voalohany angamba no navoaka isam-bolana. Ny iray farany vao navoakanay ny fiandohan’ity desambra ity kosa no tena nakanay bahana nandritry ny 3 volana teo. Ny manaraka izay angamba mbola hakanay bahana lavitra satria arakaraka ny fandehan’ilay asa no mila fanovana fomba fiasa hafa, izany hoe mampiditra zavatra hafakely kokoa hanatsara ilay izy. Miisa 10 isaky ny “collection” eo no havoaka kanefa koa io miankina amin’ny zavatra tiana tantaraina satria ny anay ny fitantarana ny natiora sy tontolo iainana no tena atao. Miisa 30 eo ny vokatra efa navoaka ary misy manjifa hatrany aloha hatreto ankoatran’ireo hiaka farany navoakanay, hoy hatrany ny tenany, na dia eo aza ilay olana voalaza teo aloha teo.
J. Mirija
Legende: Andrianina Rasolomampionona, eo anivon’ireo famoronany
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap