airtel

Actualités

09-mai-2025

MPAMOSAVY MAMPIJALY IREO MIARAMILA

Tovovavy kely vao 16 taona tratra tao Andilamena

Sample post image

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

09-mai-2025

distrikan’Andilamena isan-kalina. Tsy hampatorian’io mpamosavy io mantsy izy ireo indraindray no sady mivorakabe ny lohany, hoy ny vaovao. Indraindray ihany koa dia misy mandondona ny varavarana…Niezaka ny nitady hevitra ny fomba hisamborana io mpamosavy io izy ireo efa ela ka nahitam-bokany. Tovovavy kely iray vao 16 taona monja no tompon’antoka tamin’izany, tratra afak’omaly Alarobia 07 May alina. Niboridana tanteraka io tovovavy kely hoy ny vaovao ka rehefa nifanjehan'ny miaramila dia azo soa aman-tsara na dia nalama aza. Nentina tany amin'ny lehiben'ny fokontany moa ity farany taorian'izany ka nampanantsoina ireo fianakaviany omaly. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny fitazonana ody mahery mba hitadiavana tovolahy haka vady na koa hikatsahana mpanam-bola na vazaha no anisan’ny antony voalohany mahatonga ny tovovavy kely hivoaka alina tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovovavy kely
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap