Zazavavy kely iray, mpanampy an-trano vao 15 taona monja no fantatra fa naolan'ny mpampiasa azy efa 64 taona. Ny alin'ny 21 Febroary teo no nanaovan’ilay Rangahy lehibe ny filan-dratsiny tamin’ity zaza teo ambany fiahiany ity. Tonga nitory teny amin'ny biraon'ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Fidirana ny Ray aman-drenin'ilay zaza ka nosamborina natao famotorana avy hatrany ilay Raim-pianakaviana. Natao koa ny fangatahana fizahana ny toe-batan'ilay zazavavikely tao amin'ny dokotera mpitsabo. Samy monina ao amin'ny Kaominina Fidirana Distrikan'i Mandoto Faritra Vakinankaratra avokoa izy ireo. Tsiahivina moa fa mafimafy kokoa ny sazy mahazo ireo olona tokony ho Ray aman-dReny hitaiza sy hanabe nefa mivadika lasa manolana tahaka izao.
Pati Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana tsy mataho-tody !
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.