airtel

Actualités

24-juin-2021

Actualités

Mpanao gazety Gail Borgia Mety horoahin’ny Fanjakana ?

Sample post image

Naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny fanadihadiana nataon’i Gail Borgia mpanao gazety solontenan’ny France 24 sy ny TV5 Monde eto amintsika governoran’ny Faritra Androy Dr Soja Tsimandilatse Lahimaro,

24-juin-2021

izay naneho an-taratasy omaly 23 jona 2021, fa tamim-pahatairana sy alahelo no nahitany ny vaovao nivoaka an-tambajotra miendrika fanompana, niresahana ny toe-javatra any atsimon’ny Nosy. Nampifandraisiny tamin’ny sarin’ny Malagasy ary nambarany fa ny vahoaka any Androy dia mihinana kiraro mba ho velona, hoy ny taratasin’ny governora. Tsiahivina ny tenin’I Gail Borgia, izay adika tsotsotra hoe: “Hafatra ho an’Atoa Filoha mamim-bahoaka, fantatrao ve fa misy amin’ireo mponina no mihinana akora hoditra avy amin’ny mpanao kiraro, sy mitanika hoditr’omby (eny tena namaky tsara ianao) satria izy ireo dia tena matin’ny hanohanana ? Manangona fakona hoditra, ary mitanika izany amin’ny rano sy sira na koa manatono izany saingy tena sarotra tsakoina sy atelina. Mihevitra aho fa tena mandona hatrany anaty kanefa manindrona ihany koa. Tena zava-misy ary aty amin’ny taona 2021”, hoy moa io vaovao navoakan’ity mpanao gazety ity io, izay narahiny sary. Ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo izay mahazo ny any Atsimon’ny Nosy dia tsy tokony ho lohahevitra hoenti-mivoy sy manaparitaka vaovao diso sy hanompana ny kolontsaina Malagasy, ary indrindra ny an’ny Antandroy, hoy kosa ny ny governora. Amin’ny maha mpanao gazety matihanina azy, tokony ho fantatr’I Rtoa Borgia fa ny hoditr’omby, ny omby izay maneho ny fomban-drazana Malagasy, ny fandrahoana azy, fa fady kosa ny hoe kiraro, izany hoe tena tsy azo ampifandraisana amin’ny resaka sakafo. Amin’ny andavanandro aza, tsy azo atao ny manitsaka ny lambanana hihinana,… Notondroina ho manodinkodina ny tena zava-misy marina sy manompa ny kolontsaina Malagasy, ary manararaotra ny fahorian’ny Malagasy hoenti-mampalaza tena eo anatrehan’ny vahoaka i Gail Borgia.
VALIN-KAFATRA
Mbola namoaka valin-kafatra sy horonan-tsary nentina nanamarihana ny zavatra navoakany kosa i Gail Borgia taorian’io tenin’ny governora io. Horonantsary izay maneho sefo fokontany manamarina ny zava-misy, raha ny hita tao amin’ny horonantsary. “Afaka makany amin’ny mpanamboatra kapa, vavolombelona ry zareo mpihinana ireo”, hoy ny sefom-pokontany iray. Tsy mahalala ny zava-misy marina ao amin'ny faritra hiadidiany ve izany ny Fitondram-panjakana ao Ambovombe Androy ? hoy ny valin-kafatra. Mety hahita loza amin’ny manam-pahefana ilay sefom-pokontany sahy naneho, fa tena misy ny fihinana akora avy amin’ny mpanao kiraro. Voizina moa ankehitriny, fa zavatra noforonina iny nataon’i Gail Borgia iny, ary olona notambazana ny nanao izany. Horoahin’ny Fanjakana hiala an’i Madagasikara ary ve i Gail Borgia izay tsy vao izao no namoaka vaovao tsy levon’ny vavonin’ny mpitondra toy ny tamin’ny raharaha volamena 73,5 kg ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap