Araka ny fanazavan’ny filohan’ny komitim-paritany Analamanga avaratra, Robson Domoina, dia fitondrana am-bavaka ny taom-pitaizana manontolo no nisantarana izany teny an-toerana. Nezahana nofafana ny tsy nety tamin’ny taona lasa rehetra mba ho vaovao ny vina amin’ny hoavy. Miezaka mivoatra, mandroso, fitaratra. 66 isa ankehitriny ny fivondronana eto amin’ny faritany Analamanga avaratra, izany hoe efa nisy ireo notokanana ary ny iray ho tokananay ny 13 novambra izao. Mpitondra fivavahana avy amin’ireo sinodam-piangonana miisa 5 ahitana solotena avy amin’ny FJKM dia ny Sampati, FLM dia ny FSFLM, EEM dia ny SKOA, ny avy amin’ny FNTA ary METM. Nankasitrahana tamin’io fotoana io koa ireo filoham-paritany mifanesy satria ao anatin’ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny tily isika izao. Ankatoka ihany koa ny famaranana ny faha 80 taonan’ny mpanazava sy ny faha 75 taonan’ny sampana mena. Narahabaina tao anatin’izao koa ireo zanaka mendrika 4 mianadahy nandritry ny taom-pitaizana. 2 tily, 2 mpanazava. Ny zanakay eto Analamanga avaratra, hoy hatrany izy ireo, no andrarezina nahita ny sary famantarana na logo faha 100 taonan’ny mpanazava sy tily eto Madagasikara. Ho an’ny mpanazava kosa dia miisa 1200 ny mpikambana manenika an’Analamahitsy hatrany Anjozorobe raha ho an’Analamanga avaratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Ireo mpiandraikitra Mpanazava sy Tily eto Madagasikara
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa