Nandritra ny lanonana fampahafantarana ny famoahan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) ny tohana ara-bola FEC (Facilité Elargie de Crédit) mitentina 32,6 tapitrisa dolara noho ny faharefoana ara-toe-bolan’i Madagasikara no nilazany an’io. Nambara fa tokony hefain’ireo Mpandraharahan-tsolika na GPM (Groupement des Pétroliers de Madagascar), ary mbola miampy tamberim-bidy na « redevance » 270 miliara Ar, ka ny 247 miliara Ar amin’io dia RER (Redevance d’Entretien Routier) ary 23 miliara Ar kosa RDS (Redevance de Développement du Secteur), aza raha ny fanazavana. Mbola tsy naloan’ireo kaompania aneefa izany, ka tokony sy mila hefainy, hoy hatrany ity Minisitra ity. Omaly 16 martsa, namoaka serasera ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, fa niravona ny olana teo amin'ny Fanjakana Malagasy sy ny GPM (Groupement des Pétroliers de Madagascar). Hiverina handoa ireo hetra tokony haloany amin’ny Fanjakana izy ireo amin'ny herinandro ary hosoniavina amin'ity herinandro ity ihany koa ireo « Bons du Trésor Spéciaux » an'ireo GPM, hoy ny Minisitera. Nisy mantsy ny fihaonana teo amin'ny roa tonta io omaly io, ka ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo no nisolo tena ny Fitondrana Malagasy ary ny Tale Jeneralin'ny Vivo Energy sady Filohan'ny GPM teo aloha Mondher sy ny Tale Jeneralin'ny TOTAL sady Filoha Vaovaon'ny GPM Ramatoa Mariem Sav Saw no avy amin’ny andaniny. Raha hiverina handoa ny hetrany ny GPM, mba hifanaraka amin’izany ve ny tamberiny amin’ny lafiny maro toy ny resaka fikojakojana sy ny fanamboarana ny làlana mianga avy amin’ny hetra sy haba isan-karazany amin’ny solika ?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa