Mitohy ny fitarainana noho ny tsy fandoavan'izao fanjakana izao ny vola tao amin'ny FR io ka mitaraina hatrany ireo orinasa madinika satria efa ny taona 2020 no vita ny asa, hoy izy ireo. « Niezaka ny nitaky am-pahendrena, am-pitoniana, nanaiky ny fandaminana nangatahan'izy ireo ny hanaovana "audit" in’efatra nandritry ny roa taona na dia tsy voasoratra anaty « contrat » aza izany. Vita ara-dalana ny asa, manaraka ny fenitra, tsy « fictif » velively, nandeha tamin'ny fahamarinana tanteraka ary natrehan'ny gouvernora mihitsy aza izay marihako fa tena «hors contrat », hoy ny mpandraharaha iray. Tsy vitan'ny hoe tsy nalohan'ny fanjakana ny vola anefa fa mbola nogiazany hatramin'ny « caution de bonne execution » sy ny « retenue de garantie 10% », izay mbola volanay manokana ihany koa, telo taona aty aorina mbola tsy naloha. Mapametra-panontaniana, ao ny vola fa lasa aiza ? Nitodika manokana tamin’ny Minisitry ny fitatanam-bola Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo moa ny mpandraraha, ary nampahatsiahy ny Filoha Rajoelina fa nanome fe-potoana 10 andro tamin' ny alahady 16 jolay lasa teo ny amin'ny handoavana ny volan’ny mpikojakoja lalana rehetra. 5 andro izay no lasa fa mbola tsy nisy dingana aloha hatreto, 5 andro sisa no anananao hanatanterahana io baiko azonao tamin'ny filoha teo imason'ny vahoaka rehetra io, hoy ireo mpandraharaha mantsy ny Minisitra. «Maty tanteraka izahay mpandraharaha madinika. Ny trosa nanatanterahana ny asa na avy amin'ny « fournisseurs » na ny banky anefa hatramin'izao mbola manaraka, ny sasany aza efa nanaraka hatramin'ny aina noho ny adin-tsaina, ny fananana efa lasan'ny banky, hoy izy ireo. Ankehitriny dia miantraika amin'i Madagasikara iray manontolo ny faharatsian'ny lalana noho ny tsy fisian'ny fikojakojàna taorian'io tranga io. Mikatso tanteraka ny asa. Tsy izahay irery fa ny mpiasa Malagasy mamelona fianakaviana maro (Ouvriers Maçons, manoeuvres, mpamaky vato, chauffeurs, fournisseurs isan-karazany...) no mijaly sy mibaby ny zava-misy”, hoy ny fitarainana. Tsy vao sambany no nisiana fampanantenana nataon’ny Fanjakana an’ireo orinasa fa hatreto, mbola betsaka no tsy misitraka ny volany, ka manahy ho tratry ny fampanantenana poakaty indray izy iteo. Tsara moa no mampahatsiahy, fa ny 04 jolay nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra nataon’ny Minisitry ny asa vaventy teo aloha Atoa Hajo Andrianainarivelo no nilazany, fa nisy ny vola fa ny Filoha sy ny Praiminisitra no nanao sakana ka lasa mamono ireo mpandraharaha, ary antony mahapotika ny làlana maro ankehitriny. Ny zoma taorian’io fandaharana manokana io, dia toa nikorapaka ny fitondrana, ka nisy ny Filankevitry ny minisitra manokana namoahana serasera fa làlana maro no hamboarina, ka tafiditra tao anatin’izany ireo làlana sy sampanan-dàlana 13 eto Antananarivo, izay nanaovana serasera.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa