Efa nisitraka izany ireo mpanisa mpifidy teto Antananarivo Renivohitra, hoy ny avy amin'ny CENI. Hitohy amin’ny herinandro ho avy ny fizarana karama eny anivon’ny Vaomiera misahana ny fifidianana isaky ny Distrika na ny CED. Voalaza koa fa efa voatsinjara eny amin’ny rantsamangaikan’ny Tahirimbolam-panjakana isaky ny Distrika ny karaman’ireo mpanisa mpifidy mandritra ny telo volana (oktobra, novambra, desambra), fe-potoana hanatanterahana ny asa fanisana isan-tokantrano. Arakaraky ny isan’ny mpifidy voaisan’ny mpanisa iray, izay voamarina fa tsy misy fahadisoana, no anaovana ny kajin’ny vola raisiny. 300 Ariary isaky ny mpifidy raha tsiahivina no omena ireo mpanisa, ary hisy ny ‘’prime’’ ho an’ireo nahatratra ny tanjona napetraka taminy, araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène.
Jean D.
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.