Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza sy tso-drano fotsiny ireo mpanjaka sy raiamandreny ara-drazana tarihin'ny filoha nasionaliny ny Princesse Zoendreniny Elakovelo Etsiosa, mivondrona ao amin'ny FCRTM. Nihaona sy nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy Mahamasina izy ireo omaly no sady nanapotsitra ireo marary eto amin'ny Firenena tokony hasiam-panovana sy fanavaozana ihany koa. Nambaran'ny princesse fa tokony averina omena ny toerany sy ny lanjany ny mpanjaka sy ireo raiamandreny ara-drazana ary ireo mpitazona sy mpandala ny fomban-drazana...eto amin'ny Firenena. Ireo no maha-firenena ny Firenena iray toy an'i Madagasikara hoy izy ka tsy tokony hatao fitaovana fotsiny izy ireny. Nasiany resaka ihany koa ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy eto amin'ny Firenena. Ny fikapana lohan'olona sy fakana voamason'olona hataon'ny sasany, ny fanimbana zaza tsy ampy taona, ny fifohana rongony, ny tsy fanajana ny fomban-tany...izay tena mamotika ny Firenena tokoa no sady manota fady. Miantso ny tsirairay ho tonga saina araka izany izy ireo. Nomarihin'ny Princesse Zoendreniny Elakovelo Etsiosa moa fa tranga tena mampalahelo azy ireo koa ny resaka vaky fasana ka tokony hojeren'ny Fitondram-panjakana. Fasana mpanjaka maromaro no fantatra fa efa lasibatr'izany tato anatin'ny volana vitsivitsy.
Pati
Légende : Izy no princesse Zoendreniny Elakovelo Etsiosa, Filoha nasionalin'ny FCRTM !
afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »