airtel

Actualités

20-févr-2024

Mpanjono 164 voasambotra tany Seychelles

Miandry ny fotoam-pitsarana azy, ambenana ao Antsiranana

Sample post image

Folo andro lasa teo izay no nahasamborana ireo teratany Malagasy miisa 164

20-févr-2024

voalaza fa nanjono nanjono dingadingana na « concombre de mer » tany tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles, ka nosamborina. Efa vita ny fakàna am-bava sy ny famotorana azy ireo. Nosamborina izy ireo ary nogiazana ny sambo miisa 6, raha toa ka nalefa nody aty Madagasikara ireto mpanjono ireto. Misy ny fifanarahana teo amin'i Seychelles sy i Madagasikara milaza fa averina any amin'ny tany niaviany ny mpanjono tratra any amin'ny tany anjonoany tsy nahazoana alalana, ka nahafahana nampody azy ireo. Milaza ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, fa efa eo am-pelantanan’ny fitsarana ny raharaha. Tazonina ao amin’ny ''Gymnase couvert'' ao Antsiranana avokoa noho izany ireo olona 164, mandrapahatongan' ny fitsarana. Ny Fanjakana malagasy no miantoka ny sakafo sy ny momba azy ireo, anatin'ny fanajana tanteraka ny zon'olombelona. Mpitandro filaminana miisa 70 kosa no miambina azy ireo, raha ny nambaran'ny minisitra misahana ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ankoatra izay, nambara fa mitohy ny fanadihadiana mikasika ny tomponantoka rehetra nahafahan'izy ireo nanao izany, ka ny Fitsarana irery ihany no hanambara izany. Andrasana ny tohiny !
Toky R


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap