narendriky ny lakana tao Ironda, distrikan’Ambovombe Androy ny Zoma 31 Janoary lasa teo rehefa nihita ranomasina. Saika niparitaka tany amin’ny faritr’Anosy no nahitana azy ireo izay efa saika naterina eo anivon’ny fianakaviany ny ankamaroany. Tonga nanampy tamin’ny asa fanavotana azy ireo ny Ministeran’ny jono izay nandefa fiara mihitsy. Tamin’io Sabotsy 01 Febroary io dia miisa 53 lahy no indray nalaina ary naterina tany amin’ny kaominina nisy azy avy. 32 lahy kosa omaly izay nalefa any Analampotsy misy ireo ankohonany. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa nisy tamin’ireo mpanjono ireo no nisy zaza 11 sy 12 taona, antony tena nampanano sarotra ny asa fanavotana. Notsindriany ihany koa fa rehefa miloko mena na vonimboasary ilay famantarana mikasika ny fahafahana miandriaka sy mihita ranomasina dia tsy azo hanjonoana izay, tranga izay mety mitera-dozabe tokoa raha mbola dikaina. Tsiahivina moa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga ity na dia niely aza ny vaovao mikasika izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana ireo mpanjono sy ny fianakaviany !
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.