airtel

Actualités

03-févr-2025

MPANJONO 424 LAHY NARENDRIKY NY LAKANA

Efa tafaverina eo anivon’ny fianakaviany ny ankamaroany

Sample post image

Efa hita soa aman-tsara afak’omaly Sabotsy 01 Febroary avokoa ireo mpanjono 424 mirahalahy

03-févr-2025

narendriky ny lakana tao Ironda, distrikan’Ambovombe Androy ny Zoma 31 Janoary lasa teo rehefa nihita ranomasina. Saika niparitaka tany amin’ny faritr’Anosy no nahitana azy ireo izay efa saika naterina eo anivon’ny fianakaviany ny ankamaroany. Tonga nanampy tamin’ny asa fanavotana azy ireo ny Ministeran’ny jono izay nandefa fiara mihitsy. Tamin’io Sabotsy 01 Febroary io dia miisa 53 lahy no indray nalaina ary naterina tany amin’ny kaominina nisy azy avy. 32 lahy kosa omaly izay nalefa any Analampotsy misy ireo ankohonany. Nambaran’ny Ministra nandritra izany fa nisy tamin’ireo mpanjono ireo no nisy zaza 11 sy 12 taona, antony tena nampanano sarotra ny asa fanavotana. Notsindriany ihany koa fa rehefa miloko mena na vonimboasary ilay famantarana mikasika ny fahafahana miandriaka sy mihita ranomasina dia tsy azo hanjonoana izay, tranga izay mety mitera-dozabe tokoa raha mbola dikaina. Tsiahivina moa fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity tranga ity na dia niely aza ny vaovao mikasika izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana ireo mpanjono sy ny fianakaviany !

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Aoka hovitaina hatramin'ny farany ny fanavaozana natomboka"

Card image cap
25-août-2026

Manao tohivakana ny fanehoan-kevitry

Card image cap
25-août-2026

Lasibatra ny Ekar sy FLM ao Ambinanindrano

Card image cap
25-août-2026

Manoloana ireo resaka marobe

Card image cap
24-août-2026

Roa maty nihotsahan'ny tany, roa naratra mafy

Card image cap