Raha olona 1 amin’ny 100 mantsy no tokony hanao izany dia lasa 3 amin’ny 1.000 isa sisa. Mihena izaitsizy ny isan’ireo mpanome ra noho izany. Mahatratra 160 paosy isan’andro anefa ny ra tsy maintsy ilaina eny anivon’ny hopitaly eto an-drenivohitra ka ankoatra ireo marary mafy mila fandidiana dia ireo vehivavy saro-piterahana no tena mandany ny ra eny anivon’ny hopitaly. Manoloana io toe-javatra io dia tonga nanome ra maimaim-poana tetsy amin’ny ivon-toerana mifandraika amin’izany ireo mpino eo anivon’ny fiangonana FJKM Atsimon’ny Mahamasina sy ny Mpitandrina ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taona niarahan’ny roa tonta niasa ny hetsika. Tsiahivina moa fa isaky ny 3 volana no afaka manome ra ny lehilahy iray raha isaky ny 4 volana kosa ny vehivavy. Tsy maintsy mihoatra ny 50 kg kosa anefa ny lanjan’izy ireo, ary salama tsara. Tsy mampinono, tsy tonga fadim-bolana na koa bevohoka ny vehivavy iray afaka manome ra raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mahasalama hatrany ny manome ra hanavotana ny mpiara-belona !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa