fantatra fa efa betsaka ihany koa no te-hiala. Mahatsiaro fikorontanan-tsaina tanteraka mantsy izy ireny. Ho an’ny Centre de Cure Aro Aina tarihin’ity dokotera Miarintsoa dia fantatra fa 7 ka hatramin’ny 10 isan-kerinandro ireo tanora tonga manatona azy ireo. Te-hiala na hamporisihan’ny manodidina mba hiala ny ankamaroan’izy ireo. Ny fanapahana azy hiala amin’ilay fandraisana roro araka izany no hatao voalohany. Io ilay antsoina hoe : sevrage. Rehefa manomboka miala ilay olona dia tena marary be, mandamaka be ohatra ny tratran’ny tazo mahery na covid-19 koa. Manana olana amin’ny voa koa izy ireny, izay karazana tranga marik’ilay fahazaran-dratsy niankina tamin’ny roro avokoa. Tanjon’ny mpitsabo araka izany ny tsy hiverenan’izany intsony, antony tena ilana ilay thérapie. Tao anatin’ny 5 taona moa dia ny 45% n’ny olona tonga nanatona tao amin’ny Centre de cure Aro Aina dia olona manana olona amin’ny rôrô avokoa. Nomarihin’ity mpitsabo ity fa na dia tafiditra anaty addiction aza ny marary iray dia azo tsaboina tsara. Ohatra ny aretina rehetra ny addiction ary tsy tokony hahamenatra hoy izy. Efa misy ny mpitsabo momba izany eto amintsika na ireo antsoina hoe : médecin addictologue ankehitriny. Azo tsaboina tsara ireny karazan’olona ireny, fa ilana ny fanapahan-kevitr’ilay marary kosa. Manomboka eo amin’ny 3 hetsy Ar moa ny mitsabo marary iray.
Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa