Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza, anaovan'ny fianakaviany ombay mitady, raha ny fampitam-baovao voaray. Ny fiara nentiny no hitan'ny mpiara-miasa aminy ihany, ny alatsinainy teo, teny amin'ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, teo Mandikanamana Mahatsinjo, distrikan'i Maevatanàna. Mitodika, sahala amin'ny ho any Mahajanga, ilay fiara. Tsy nisy olona tao anatiny. Mijanona amin'ny sisin-dalana, mihidy, vaky ny kodiarana 2 aloha. Ny olona monina eny amin'ny manodidina nilaza fa efa hatramin'ny sabotsy alina io fiara io no tsikaritr'izy ireo. Ny “Brigade routière spéciale” na borigady misahana ny lalana, Ramala, no miambina azy mandra-piandry ny fianakavian'ilay tovolahy izay nilaza fa manana dika mitovy amin'ilay fanalahidy. Tsy nandrenesam-baovao kosa io tovolahy mpiasan'ny BNGRC io ka mbola mitohy ny fikarohana azy. Nirava niasa, ny 6 septambra, tamin'ny 4 ora tolakandro, teny Avaratr'Antanimora izy, no hitan'ny olona farany niaraka tamin'io fiarany Toyota Yaris io, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto