airtel

Actualités

16-avril-2021

Actualités

Mpiasan’ny fahasalamana “Avoahy ny volanay, manome 72ora”

Sample post image

Naneho ny alahelony ireo mpianatra ho Mpitsabo sy mpitsabo tamin’ny alalan’ny solontenan’ny « internes »

16-avril-2021

 

 

 manerana an’i Madagasikara omaly eo anatrehan’ny mbola tsy firaharahiana sy fandrirariran’ny Fanjakana azy ireo. Ny tambin’ny andran’asa na « Allocation de stage » tamin’ny 2019 mbola tsy nositrahana, ny “indemnité de réquisition” tamin’ny 2020 tsy nivoaka hatramin’izao, kanefa dia nampanantenaina fa hahazo daholo.  Tsara ny manamarika fa 30000Ar sy 36000Ar isan’andro tao anatin’ny 228 andro io izany hoe 6 840 000Ar sy 8 208 000Ar isan’olona arakaraka ny mpiasan’ny fahasalamana. Mandeha amin’ny gazety hoe efa nahazo, saingy diso tanteraka izany, hoy ireo mpiasan’ny fahasalamana. Efa 2021 isika izao, ireo “internes” dia niasa foana tao anatin’ny 3 volana, tsy mbola azo ny karama ho an’ny janoary efa 3 volana. Tokony hisitraka manodidina ny 5 hetsy Ar isan’olona eo ho eo isan’olona izy ireo. Tsy ampy ihany koa ny fiarovana, misy voan’ny covid-19 “forme grave”, voa hatramin’ny Ray aman-dreny kanefa mbola miasa foana. Ho an’ny janoary dia renay fa hivoaka ny “bon de caisse” ho an’ny janoary, kanefa ho an’ny 19-31 janoary ihany no voalaza fa haloha, kanefa niasa feno nanomboka ny voalohany hatramin’ny faran’ny volana, raha ny fanazavana. Mangataka amin’ny Filoha sy ny manam-pahefana, mba hamoahana tsy misy hatak’andro ny valin-kasasarany ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo. Manome 72ora hamoahana an’io izy ireo. Raha banga ny karamanay iray amin’ireo, dia tsy handray izany bon de  izahay. Mangataka ny hamoahana ny karaman’ireo zokinay “interne qualifiant” izay miasa sy tena mihosona amin’ny marary isan’andro amin’izao, hoy ny fanambarana. Ankehitriny dia manao “recrutement” ny Minisiteran’ny fahasalamana hoe misy ny “salaire de base” sy ny “prime”. Izahay anefa telo volana miasa foana tsy nandray tambin-karama, tsy mba misy “motivation”, fa dia miasa foana izahay, hoy ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo.

 

Efa am-bolana no nitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana ny valin-kasasarany, saingy narirarira, raha raisina amin’ity fanambarana ity. Misy ny vola sy ny tetibola natao hiatrehana ny valanaretina coronavirus, saingy tsy misy fitantanana mazava sy mangarahara. Ny mpiasan’ny fahasalamana no herin’ny ady, kanefa hatramin’izao toa hodian’ny Fanjakana adala. Ao anatin’ny fahasahiranana sy ady mafy isika izaao, saingy tsy takona hafenina ny lesoka. Miharihary ny fitantanana tsy mahomby.

Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap