izay marihina fa anisan’ny biby arovana eto amintsika. Teo am-panatanterahana ny asany ny Polisy miasa ao amin’ny CSP Vohemar no nifanojo tamina rangahy iray nitondra gony. Somary hafahafa fihetsika ary kaodikaody aok’izany ity farany ka nanaitra azy ireo. Avy hatrany dia nosakanana ity rangahy iray ity ary nosavaina ny gony nentiny ka fatina « Maki » miisa 06 no tratra tao anatin’ilay gony niampy basy lava calibre 12 iray. Voarara ny fihazana ity biby ity kanefa izao mbola hanaovany fanahy iniana izao ny mihaza sy mamono azy. Avy hatrany dia nosamborina ity rangahy ity ary nentina tany amin’ny birao nanaovana fanadihadiana. Monina ao Sambava ity rangahy ity ary fantany tokoa fa voarara ny fihazana ireny ragidro ireny,antony nanafenany azy tao anaty gony.
Pati
Legende : Ilay Rangahy sy ireo ragidro efa voatono tratra tany aminy !
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa