mpirotsaka an-tsehatra eo anivon’ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo miisa 130 avy amin’ny First na Fikambanana iarahan’ny rehetra misitraka. Fivondronan’olona mahatsapa ho manana adidy sy andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina moa ny First, hoy ny filohany, Razafindrainony Thierry José. Mpihavana, mpinamana, mpiara-miasa manana tanjona hitondra anjara biriky ho fanampiana ny fiarahamonina no nivondrona, hoy izy. Isaorana an’Andriamanitra fa efa maro ireo mirotsaka anatin’izany fandraisana anjara biriky izany ary hatramin’ny vahiny. Sombiny amin’ireny rehetra ireny ny First. Fiaraha-mientana no ilaina raha te hanatsara zavatra eto anivon’ny firenena sy fiarahamonina satria ny hazo tokana tsy mba ala, hoy isika malagasy. Miisa 15 eo ny mpikambana feno anatin’ny fikambanana ary 20 eo ny mpiaradia. Nijoro ofisialy izahay ny taona 2023. Ny aprily 2024 kosa no nanao tombok’asa na «lancement officiel». «Ny ezaka androany sitrahana rahampitso!» no teny filamatra. Isan’ny asa efa vita ny fanohanana ireo sahirana amin’ny fiainany an-davan’andro na fivelomany ho fanatsaràna ny fari-piainany. Isany ny fanomezana fitaovana enti-mamokatra ho an’ireo mpamboly ao amin’ny distrikan’Isandra, faritra Matsiatra ambony, faritanin’i Fianarantsoa. Eo koa ny fampirisihana sy fampianarana ny zaza malagasy amin’ny alalan’ny fanatsaràna sekoly, fanolorana fampiofanana, kolontsaina, fanatanjahantena izay antoky ny fivoarana ara-tsaina sy ara-batana. Izany no antony hanohananay ny Vakisova eto Antananarivo amin’ny alalan’ny fikambanana Tambohobe. Mbola maro no kasaina atao,... Tsapan’ny First izany herim-po sy herin-tsain’ireo «éboueur» izay tena miasa rehefa miakatra ny rano, misy traboina,... Izay no nahatonga anay nanatona ny APIPA hijerena ny azo atao ho azy ireo. Voafetra moa nefa ny enti-manana ka ny voatsirambin’ny tanana ho isan’olona tamin’ity aloha dia «combinaison» na akanjo fiarovam-batana, baoty, «imperméable» na aro orana, «gant» na fonon-tanana. Ankoatran’izay moa dia notolorana tohan’aina toy ny menaka, vary, siramamy ary labozia koa izy ireo, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto