airtel

Actualités

08-janv-2024

Mpitandro filaminana mamono olona

Tovolahy 22 taona matin’ny tifitra variraraka

Sample post image

Mitohitohy ny tranga famonoana olona ankitsirano ataon’ny mpitandro filaminana sasany.

08-janv-2024

Tovolahy iray tokony ho 22 taona no maty tsy tra-drano, notifirin'ny zandary iray tao Alakamisy Ambohijato, Distrikan'i Ambositra, ny marainan'ny Alakamisy 04 janoary 2024 tokony ho tamin’ny 4 ora maraina, raha handeha hivarotra kisoa tao amin'ny tsenan'i Alakamisy Ambohimahazo, Distrika Fandriana. Tifitra variraraka no nahazo azy, ka vodibala niisa 17 no noraofin'ny olona teo amin’ny toerana nitrangan'ny loza, raha ny tatitra avy any an-toerana. Notanana natao fanadihadiana avy hatrany ilay zandary nahavanon-doza, ary niakatra Fampanoavana teo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra ny raharaha, ka notanana am-ponja vonjimaika ny tenany. Nolazain'io zandary io fa tsisy taratasy ilay kisoa. Ary saika hanenjika azy, hoy izy, ilay tovolahy 22 taona sy ny namany iray. Nahatezitra ny fianakavian'ny maty sy ny vahoaka ny nafitsok'ity « gendarme hors classe » ity, saingy niezaka nanao fandaminana ireo vahoaka tsy hikomy ireo Ben'ny Tanàna tao Imadiala. Nanao ny fomba ara-drazana ihany koa ny fianakaviamben'ny Zandary ao Ambositra ka nanolotra omby, ary naneho fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty. Tsy vao sambany ny toa an’io, fa ny alin’ny 20 desambra 2023 lasa teo ihany koa dia efa nisy ilay fitifirana nahafaty zazalahy kely iray vao 14 taona, tao amin’ny fokontany Tanandava ( Bekotika), distrikan'i Mahabo. Araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia nitady ny rainy ireto mpitandro ny filaminana ireto, saingy i Freddy no hitany teo, ka raha saika hampilaza ny reniny, dia notifirina, ka maty tsy tran-drano. Tsy resaka fankahalana ny mpitandro ny filaminana, ary saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara tokoa, fa raha itony tranga itony dia ny hitsikitsika natao hivavahana indray izany teto no nipaoka ny zanak’akoho, ny natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany no mandatsaka ain’olona amin’ny fomba feno habibiana, kanefa zavatra tokony ho azo alamina amin’ny fomba tsotra. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa dia maneho hatrany rehefa misy ny tranga tahaka izao fa tsy miaro ny olony manao adalana.

Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap