mpitandro filamina miiezaka mafy mampangiana ny tolona ka tena lasa mamono vahoaka mihitsy : Famonoana olona (Antsiranana, Antananarivo), Fandratrana ankizy, tanora, Fanafihana hopitaly, sekoly, Fidarohana tanora tanam-polo, Fisamborana tsy am-piheverana, Fikasiantanana dokotera, Baomba lakrimozena natsipy any anaty tranon’olona. Fandraisana ny tanora maneho hevitra ho toy ny dahalo: enjehana any amin’ny elakelan-trano, anaty trano, an-tanimbary.Mibaribary ny baiko fa tsy ny vahoaka sy ny fananany no arovana fa mpitandro filaminana miaro olom-bitsy no misy eto. Ny mpaneho hevitra sahy miteny ny tsy mety sy tsy rariny no atao haza lambo satria manelingelina ny fitondrana.
RTT
Mbola tsy niasa dia potika, mampiahiahy ny kalitao na teo aza ny rivodoza