airtel

Actualités

07-févr-2024

Mpitarika sendika roalahy

Nohelona 30 volana sazy mihantona

Sample post image

Nohelohin’ny Fitsarana sazy 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny

07-févr-2024

filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra Sampanana Antananarivo na SECES sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy ny filohan’ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga. Raha tsiahivina nandritra ny raharaha nafana tamin'ny fifidianana no nitazonana azy ireo teny Fiadanana. Fiantsoana ny miaramila hikomy no loham-piampangana azy ireo izay nolavin'ireto mpitarika sendikaly ireto. Ny volana desambra ireo mpitarika sendika no niakatra fitsarana, saingy ny didim-pitsarana kosa no in-droa nihemotra ny famoahana azy ka izao vao nivaly. Nilaza i Barson Rakotomanga fa hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony. Betsaka ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny SECES Antananarivo, izay tsy nisorona tamin’ireo fahatsapana zavatra tsy araka ny tokony ho izy amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra teto amin’ny firenena, ka mety nahatonga ny fanenjehana ara-politika. Anisan’ireny ny resaka zom-pirenena sy ny fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, izay nohitsian’io rantsan’ny SECES io fa zary lasa manaratsy endrika ny anjerimanontolo izay namolavola ireo mpahay lalàna. Ny fitakiana sendikaly ihany koa moa dia isan’ny nanamarika ny SECES Antananarivo ny taona 2023 izay nisian’ny grevy lavareny noho ny famaliana ireo zo sendikaly sy tsy fandoavana tambin-karama samihafa, ka tonga hatramin’ny fitakiana ny fialan’ny tompon’andraikitra ambony tsy mahavaha olana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap