ny fikambanamben’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ANTM sy ireo izay miombon-kevitra amin’izy ireo eto amin’ny firenena hatrany ivelany fa antso no ataon’izy ireo amin’ny manam-panahy manao hoe aza miavonavon-kevitra ka mihevitra ny tsy tokony ho heverina re ry havana na inona na inona finoanao. Mahalala onona, hoy izy ireo, araka ny ohatry ny finoana nozarain’Andriamanitra ho anareo avy. Aoka hajanona tanteraka ny fifanenjehana ara-pinoana sy ny fanosihosena ny finoan’ny hafa tahaka ny anay nentim-paharazana izao. Samia manamasina ny azy araka ny maha iray ao anaty fahasamihafana antsika malagasy. Tahaka ny fananantsika fiteny samihafa, misy mitarogna, misy miroky, misy mivolagna, mitaria, misafa, miresaka, mirehaka sy ny maro hafa dia gasy iray ihany isika. Atsaharo ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ary ny fanimbazimbana ireny toerana masina iankinan’ny soatoavina ara-kolontsaina ary fomba amam-panao nentim-paharazana malagasy ireny! Hamboly hazo izahay izao mba ho tonga araka ny fiteny hoe tsy halazo ny raviny na tsy hamoa ny voany fa hamoa voa be isam-bolana izy satria mivoaka avy amin’ny toerana masina ny ranony. Ary ho fihinana ny voany. Ho fanafody ny raviny. Ny ravin’ny hazo ho fanasitranana ny firenena maro, hoy hatrany ny ANTM.
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa