airtel

Actualités

06-oct-2026

Mpitsara misahana

ny ady amin’ny kolikoly

Sample post image

Maniatatra ny fahaiaza-manao

06-oct-2026

mikasika ny « Common Law »
Manaraka fiofana lehibe ireo mpitsara misahana ny ady amin’ny kolikoly avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, nanomboka omaly 05 Oktobra 2026, etsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano. Mpitsara avy amin’ny Tendro-pitsarana miady amin’ny kolikoly eto Antananarivo, Mahajanga ary Fianarantsoa, miaraka amin’ireo avy eo anivon’ny ARAI, no nandray anjara tamin’ny fiofanana manokana momba ny lalàna « Common Law », rafitra ara-pitsarana ampiasain’ny firenena maro miteny anglisy. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa Fanirisoa ERNAIVO, ka nanaambarany nandritra ny lahateniny fa mihasarotra sy miha-mivelatra hatrany ny endriky ny kolikoly sy ny heloka ara-bola, ka tsy voafetra ao anatin’ny sisintanin’ny firenena iray intsony ireo raharaha sedraina. Manoloana izany dia ilaina ny fanamafisana ny fahaizan’ireo mpitsara manoloana ireo rafitra ara-dalàna samihafa ampiasaina eran-tany, indrindra ireo mifototra amin’ny lalàna « Common Law ». Araka ny fanazavana, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « SecFin Africa » na « Securing Financial Framworks » ity fiofanana ity, izany hoe mifandraika amin’ny fandaharanasa fanampiana ara-teknika vatsian’ny Vondrona Eoropeana (UE), Alemaina ary Frantsa, izay mikendry ny hanamafy ny ady amin’ny fivezivezen’ny vola tsy ara-dalàna, ny famotsiam-bola ary ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana any Afrika atsimon’i Sahara. Tannjona fototry ny SecFin ny hanamafisana ny rafitra ara-bola sy ara-pitsarana hiadiana amin’ireo heloka ara-bola mifandray amin’ny kolikoly, ny heloka bevava iraisam-pirenena ary ny famindrana vola maloto. Haharitra dimy andro ny atrik’asa ary natao hanamafisana bebe kokoa ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpitsara amin’ny fikarakarana raharaha saropady mifandray amin’ny kolikoly sy ny heloka ara-bola. Tanjona ihany koa ny hampiroborobo ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fitsarana sy ny hanitarana ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra iraisam-pirenena mpiara-miombon’antoka amin’ny ady amin’ny tsimatimanota.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

ireo ezaka sy fahombiazana azo

Card image cap
06-oct-2026

Nanolotra tany 1.700ha hambolen-kazo ny FLM

Card image cap
06-oct-2026

Hanampy ny ankohonana

Card image cap
05-oct-2026

Tsy nisy kolikoly, nisy BIANCO sy komity,

Card image cap
05-oct-2026

Nahazo « poste fixe mixte »

Card image cap
05-oct-2026

Ela loatra ny "permis biometrika,

Card image cap