airtel

Actualités

23-févr-2023

Actualités

Mpivarotena amin’ny internet Mahazo 1 tapitrisa Ar isam-bolana

Sample post image

Miha mahazo vahana hatrany ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ireo mijorojoro mivantana eny amin’ny

23-févr-2023

sisin’arabe dia zary lasa fitadiavam-bolan’ireo malain-kisasatra ihany koa amin’izao ny fivarotan-tena amin’ny alalan’ny internet. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony ity farany fa manao hatramin’ireo zaza tsy ampy taona ka mody mandeha mianatra ny sasany amin’ny maraina ary manao izany amin’ny folakandro. Raha tsiahivina kely dia manao fihetsika mamoafady eo anoloan’ny solosaina izy ireo mba hanaitairana ireo tera-tany vahiny any ivelany mila izany. Mahatratra hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar isam-bolana raha kely ny karama raisin’izy ireny antony mampalaina ireo tanora sasany hitady vola amin’ny fomba hafa. Ambony mantsy izany karama izany raha oharina amina asana tovovavy eny amin’ny orinasa afaka haba ohatra, na mpiasa tsotra miasa am-birao. Vehivavy miisa 8 omaly no saron’ny zandary avy ao amin'ny sampana heloka bevava Mahajanga nanao izany tany an-toerana. Noraofina avy hatrany ireo karazan’entana nampiasain’izy ireo raha mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika ireo mpampiasa azy mivantana.
Pati
Legende : Ireto izy valo mirahavavy voasambotra

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap