airtel

Actualités

21-mars-2024

MPONIN’ANDILAMENA

Leo delestazy, nitokona nilanja sora-baventy

Sample post image

Mihamafy ny olana ateraky ny delestazy manerana ireo faritra maro eto amintsika.

21-mars-2024

Ankoatra ny fahasahiranam-bahoaka izay efa mihoatra ny loha mantsy dia mbola vesatra hafa ihany koa ny tsy fahafahan’ny sasany manatanteraka ny asa fivelomany vokatr’izay fahatapahan-jiro matetika izay. Ho an’ireo mponina ao Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro dia voatery nivoaka ny trano nitokona nilanja sora-baventy mihitsy izy ireo, omaly Alarobia 20 Martsa. Efa andro maromaro mantsy izao no tsy nirehitra intsony ny jiro any an-toerana. Mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana vokatr’izany raha vantany vao maizina ny andro ka anisan’ireny ny fanendahana sy ny fanaovana sinto-mahery. Nanambara moa ireo mponina ao Andilamena fa efa ela izy ireo no nampandre ny orinasa JIRAMA saingy tsy mbola nisy vahaolana hatreto. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity delestazy tsy misy farany ity araka izany izy ireo. Nomarihin’ireo mponina moa fa tsy hitsahatra ny fitakiany raha tsy miverina mirehitra ny jiro.
Pati
Legende : Tezitra tahaka izao ny mponina dia nivoaka ny trano nilanja sora-baventy !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap