airtel

Actualités

22-févr-2023

Actualités

Mponin’Antananarivo Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny

Sample post image

Voataiza tsy hamokatra tsy fidiny manoloana ny fahapotehan’ny lalana miha lalim-paka sy ny toham-boivoy eto Antananarivo ankehitriny ireo mponin’Antananarivo renivohitra.

22-févr-2023

Ny ben’ny tanàna moa efa mandany andro mivazivazy zaritenany any anaty tambazotran-tserasera sasany toy ny amin’ny alalan’ny fitenenana hoe “Lany aiky i Vazaha be fa tsy misy fika afa-tsy teleferika”. Hiandry ny teleferika tsy hivalana izany, hoy ireo olompirenena mpisehatra amin’izay lafiny izay koa mamaly azy. Lany ora 2 na 3 eny an-dalana mihitsy aza ireo mponina sasany noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Voatery mifoha maraina hitolona taksibe rehefa tsy manam-bola hitaingenana taxi-moto na fiarakaretsaka. Reraka ambony ihany noho ny tsy fahampian-torimaso satria efa tsy misy lera intsony ity fitohanana ity ankehitriny. Tsy misy izany “heure de pointe” izany intsony izao, hoy ireo olompirenena maneho hevitra fa na andeha hiasa na hivoaka ny trano na hamonjy fotoana na hamonjy fodiana dia tratrany foana. Mihena mazava ho azy ny famokarana sy zava-bita ary ny zavatra azo atao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap