tetibolam-panjakana na ny LFI 2025. Nampidirina anaty tetibola ny fividianana fiara 4x4 ho an’ny depiote ka 16 miliara Ar ny naompana amin’izany. Notapahana kosa ny « indemnité » haompana amin’ny fivezivezen’ny depiote na ny solika. Nisongadina tao anatin’io ny fampihenana 10% ny fandaniana isaky ny Minisitera mba hanaovana fampiasam-bola hampitaovana sy hampiodinana ny Jirama, ka nilazan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola fa tsy nahomby ny fanampianana ara-bola, ka fanohanana ara-pitaovana no hatao. Raha 50MW tamin’ity dia hampiana 250MW, ary hividy « parc éolien »,… raha ny fampanantenana. Hampihenana ny volan’ny Minisitera tsirairay, kanefa vina ny hanatratra ny tahan’ny harin-karena faobe 5% ho an’ny taona 2025, raha ny voarakitry ny LFI 2025. Havoitra ny eo amin’ny lafiny fambolena indrindra fa ny fambolem-bary. Ny tetibola mikasika ny fambolena ihany koa anefa 5,56% amin’ny tetibolam-panjakana faobe. Tsy hisy fampandrosoana hipaka eny ambanivohitra, hoy ny depiote iray. Mampanahy etsy andaniny ilay resaka fanenjehana ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny vary safiotra. Hividy masomboly vary safiotra hahazoana 8-12 taonina, ao anatin’ny 120 andro dia miakatra ny harin-karena, hoy ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola. Loza mitatao ihany koa amin’ny tany sy ny nofon-tany io manoloana ny fahapotehana ara-tsimika saingy tombanana ho bizina lehibe iarahana amin’ny sinoa ka toa iniana hikipiana.
TSY MANAM-BOLA
Hanamafy ny fampidiram-bola ny Fanjakana ny Fanjakana, ka tombanana ho 16000 miliara Ar. Novinavinaina ho 5 628,4 lavitrisa Ariary ny vola hiditra ara-ketra izay ahitana fitomboana 21,39% raha ampitahana ny tanjona tamin’ny 2024. Hakana haba ny famindram-bola amin’ny finday mihoatra ny 150 000Ar, ampitomboina ny hetra amin’ireo fitaovana manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana, ny fandoavana ny ampaham-bola mialoha amin’ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana amin’ny ravim-paraky, hamafisana ny famorian-ketra amin’ny hetran-tany sy hetran-trano, ary koa ny fampandehanana ny sehatra amin’ny taratasim-barotra mba hiadiana amin’ireo varotra tsy misy fakitiora. Hamafisina sy hohenjanina ny fanangonan-ketra izay zavatra fanao, adidin’ny olom-pirenena amin’ny fampandrosoana fa moa mba tena araka izany ve ny tamberin’andraikitra ? Ny fanondranana indostrialy sy ny fanoloana ny fanafarana entana amin'ny famokarana eto an-toerana dia mitentina 4366 miliara Ariary no vinavinaina ho tafiditry ny Faditseranana ao amin'ny kitapombolam-panjakana. Ny 72% amin’izany fampidirana izany dia azo avy amin’ny fanafarana entana ankoatra ny solika, ary ny 28% kosa dia azo avy amin’ny fakan-ketra avy amin’ny fanafarana solika. Ho an'ny taona 2025, ny tetibola natokana ho an'ny karama dia voafetra ho 3.846,40 miliara Ariary, izay maneho fitomboana +31,86 miliara Ariary (+0,84%) raha oharina amin'ny taona 2024. Ity fitomboana ity dia vokatr’ireo antony mahazatra sy ny toe-javatra mandalo izay misy fiantraikany amin'ny antontankarama isan-taona. Hisy moa ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao maherin’ny 6650,…
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa