Ho an'ny vaomieran’ny fananan-tany izay tarihiko dia mitohy ny asa mahakasika ny fananan-tany, hoy izy. nosinganiny manokana ny raharaha ady tany etsy Antanandrano izay hifanandrinan'ny malagasy mpandova sy ny orinasa Telma. Ity tranga ity izay isany nananganana ny vaomiera mpanadihady ny olan'ny fananatany na ny "enquête parlementaire". Nandresy moa ireo mpandova tamin’ny fiakaran'ity raharaha ity fitsarana farany teo.Mandray hatrany ireo fitarainan'ny vahoaka ireo solombavambahoaka na dia misy aza ireo tsy voaray noho ny habetsak'ireo raharaha ady tany manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavana. Nasian'ity solombavambahoaka ity resaka ny mahakasika ireo tolo-dalana momba ny fananan-tany izay efa nolanina'ny solombavambahoaka toy ny lalàna momba ny boky rovitra, ny “géomètre expert” izay mbola mihitsoka any amin'ny ambaratongam-pahefana mpamoaka “degré d'application”. Nanao antso momba io indrindra moa ny tenany satria manova zavatra maro ho amin'ny tombotsoan’ny malagasy ny fampiharana. Ireo no antony nanoloran'ny vaomieran’ny fananantany azy sy mbola nandanian'ny solombavambahoaka azy koa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto