airtel

Actualités

09-sept-2021

Actualités

Namaly ny minisitra Lalatiana i Faniry Ernaivo “Inona no hidiran’ny mpanohitra amin’izay ataonareo 3 any”

Sample post image

Namaly sy naneho hevitra mikasika ny resabe momba azy ny Minisitry Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nalaza ary niely tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny fampahalalam-baovao moa ny filazana fa sakaizan’ny

09-sept-2021

 mpanakanto Mr Sayda ny tenany, anton’ilay raharaha fitifirana teny Ambatobe ny takarivan’ny alatsinainy 6 septambra. Nandiso ireny rehetra ireny ity Minisitra ity. "Na inona na inona tsy fitovian-kevitra politika ny fanelezana atsanga tsy aman'orana miainga amin'ny fiainan'olona manokana dia melohina amin'ny hery manontolo ary tsy azo ekena mihitsy. Manohana sy mankahery ny vadiko Andry Andriatongarivo izay tadiavina alaina baraka koa, misaotra indrindra ny namana maro be maneho fanohanana sy firaisan-kina noho izany fanenjehana izany. Satria tsy hita izay hamotehana ilay olona, satria manao ny asany izy ary manana vokatra tsara, ary manelingelina ireo mpanohitra fitondrana dia atao mavaivay ny fanenjehana. Fa mijoro hatrany ary tsy mihemotra", hoy Rtoa Lalatiana Andriatongarivo. Namaly bontana an’io tao amin’ny tambajotra ara-tsosialy kosa Rtoa Faniry Ernaivo, izay tsy nitsitsy fitenenana. “Inona akia no hidiranay mpanohitra mikasika ny fifanakalozanareo any ry Lalatiana sy Andry ary Sayda ! Lazao ihany koa fa tsy notorianao “pour detention d'arme illicite et sans autorisation” ny vadinao ry Lalatiana koa inona no idiran'ny mpanohitra amin'ny fanaratsiana amin'izany!? Lazao ihany koa fa tsy voatazona ao amin'ny “commissariat ny 8ème arrondissement” i Andry vadinao ? Ary lazao ihany koa fa efa notsohainao ny fitoriana nifanaovanareo samy ianareo ao amin'ny fitsarana mikasika “sequestration” sy “tentative de meurtre”? Ny anay izao ilay 1,300 miliara nanjavona nahodikonareo mianakavy no olanay fa izay hifanjevoanareo ao, mifamonoa, mifanakaloza, ary mifampitoria fa anareo ny tany sy fanjakana izao ! Dia aza ahilika aty aminay mpanohitra fa tsisy hirarahinay izay anaovanareo ny fiainan-tokatranonareo any”, hoy Rtoa Faniry Ernaivo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap