airtel

Actualités

14-déc-2021

Actualités

Namoaka karazana fanehoan-kevitra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ao anatin’ny mbola fisiana fahatapahana herinaratra sy rano ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo milaza fa

Sample post image

mandalo sedra mafy ny tontolon'ny angovo amin'izao fotoana izao. Miaiky ny ministera tompon’andraikitra fa maro no mimenomenona ny amin'ny tolotra omen'ny Jirama ary misy aza ny simba fananana mihitsy noho ny amin'izany

14-déc-2021

. Maro ny olona nifanesy samy nikaroka vahaolana entina hanatsarana azy fa hatreto aloha dia mbola ratsy ny vokatra, hoy ny fanambarana.Mila fandavan-tena, fahavononana, fahasahiana fa indrindra faharetana ny fanarenana ity Orinasam-panjakana ity.
Politika vaovao no hitondran'Andriamatoa Ministra Ramaroson Andry Heriniaina ny sehatry ny angovo ankehitriny dia ny fidinana ifotony miaraka amin'ireo ekipan'ny Jirama izany. Raha tia hamaha olana isika dia ny fijerena ifotony ny antony mahatonga izay no asa voalohany indrindra tsy maintsy atao. Tsy fitia tia hitsangatsangana no tanjona fa ny handinihina tanteraka ny fototry ny olana misy eny amin'ny toerana manana olana rehetra eto Madagasikara. Efa eo indrindra isika izao ka entanina mba haharitra kely satria dia olana efa am-polo taona maro no ezahana vahana tanteraka ankehitriny.
 

HAINTANY
Ankoatra izay koa anefa dia ao anatin'ny haintany tanteraka isika izao ka vao miha manampy trotraka ny olana efa nisy teo aloha izany, hoy ny ministeran’ny angovo. Efa nisy ny fandatsahana orana ary mbola hisy izany. Efa miketrika ny hamerenana indray ny fampandehanana ny tobim-pamokarana mandeha amin'ny herin'ny masoandro 20MW ao Ambatolampy ihany koa amin'izao. Ary efa tena kely sisa dia hiasa koa ilay tobim-pamokarana avy amin'ny riandrano 28MW ao Farahantsana. Mazava ny resaka eto fa tena mbola mafy ny ady ary tsy maintsy hisy hatrany ny fanelingelenana ateraky ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana heriinaratra sy rano.NY tsirairay sy ny isan-tokantrano izany no mila mahay mandamina ny fiainana na mitady vahaolana hafa tahaka ny fampiasana angovo azo avy amin’ny masoandro arakaraky ny vola eoo am-pelatanana,Ny orinasa ihany koa izany dia efa mila mivonona manana vahaolana far aha ny Jirama aloha dia mbola lavitr’ezaka ny fanarenana.
 

Nangonin’i RTT

 

 

 


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap