airtel

Actualités

15-févr-2024

Namoaka vokatra i Ken

Hampivady ny Rock amin’ny gadona hafa

Sample post image

Iray volana latsaka kely teo izay no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy

15-févr-2024

fa handeha hikopaka elatra hiala ao amin’ny tarika Mage 4 i Ken, izay mpihira teo anivon’ity tarika mpiangaly mozika Rock an-taonany maro ity. Nivoaka ny ny 13 febroary teo moa ny hirany voalohany mandeha irery mitondra ny lohateny hoe «Ry Fanadinoina». Tsy afa-miala amin’ny gadona Rock aho, hoy izy, satria io no efa nimatimatesana hatramin’izay. Hampivady gadona hafa aminy kosa. Efa vitako avokoa ny fifantenana ireo mpitendry hiara-hiasa amiko ka Ken Thierry no mpihira. Andry Ramamonjisoa no hitendry ny mandeha tokana. Rado Nomenjanahary no gitara beso. Baliaka Andriarivoson no eo amin’ny apongamaroanaka ary Rindra Ramili no eo amin’ny vatamaroafitsoka. Tsy hiverina ao amin'ny tarika Mage 4 intsony aho. Efa nitondra ny anjara birikiko ho an’ny tarika Mage 4 aho. Izany akory tsy midika hoe tsy hisy ny fifaneraserana ary mety hisy koa ny fotoana hiarahana eny an-tsehatra, hoy hatrany i Ken.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap