airtel

Actualités

18-juin-2026

Nanapaka hazo

voarara tao Ankaratra

Sample post image

Lehilahy iray mpanao saribao naiditra am-ponja vonjimaika

18-juin-2026

Lehilahy iray no tratran'ny mpisafo ala tao Andohariana, Fokontany Tsiafajavona, Distrika Ambatolampy, teo am-panomanana lavaka fanaovana saribao ny Talata lasa teo. Niezaka nandositra izy saingy voasambotra. Hazo tao anatin'ny Faritra Arovana no notapahiny antsokosoko mba hanaovana arina. Taorian'ny fanadihadiana nataon'ireo mpikaroka fandikan-dalàna dia natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Ambatolampy ilay voampanga ny alakamisy 11 jona 2026. Notanana am-ponja vonjimaika Ilay rangahy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana, araka ny didy savaranonando navoakan'ny Fitsarana.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap