Taorian’ilay vaovao niely tamin’ny tambajotran-tserasera mikasika ny fisiana fimailo na kapaoty natao fonina saosisy mantsy dia saika natahotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpanjifa saosisy. Fahasalamana rahateo no resaka no sady tena hiankinan’ny aina mihitsy. Tsy vitsy tamin’ireo mpanjifa noho izany no nihevitra fa raha tena misy tokoa izany dia ho mora foana ny fifindran’ny otrik’aretina VIH/SIDA…. Raha saosisy 3 kg isan’andro noho izany no lafon’ny mpivarotra iray dia tsy nisy afa-tsy antsasany sisa ny an’ny sasany omaly, izany hoe : tena fatiantoka iray lavaka. Tsy nijanona teo anefa ny tantara fa niezaka ny nanao fanadihadiana mikasika io tranga io ny zandarimariam-pirenena. Fantatra ary fa tsy fy mailo ilay namonosan’ilay mpivarotra saosisy ny saosisy namidiny teny Alarobia Amboniloha fa "boyaux artificiel comestible". Misy amin’ireo mpanao saosisy mantsy no efa tsy dia mahatokitoky intsony ny tsinain'omby izay tsy misasa tsara no sady mafy atelina ka nisafidy ny hampiasa io akora vaovao io. Mora atelina kokoa ity farany no sady mihaja kokoa, fampiasan'ireo mpanao saosisy na mortadelle, saucisson sy jambon efa matihanina. Tokony hitandrina noho izany ireo olona mpanaparitaka vaovao tsy marina tahaka ireny. Sady manakorontana saim-bahoaka mantsy izany no manimba ny asa fiveloman’ny hafa ihany koa. Vaovao voaporofo noho izany no tokony havoaka fa tsy izay siosion-dresaka mandeha eny rehetra eny.
Pati
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny