san’ireo notapahana sy lany tao anatin’ny filankevitry ny minisitra omaly 14 septambra 2022 ny nankatoavana ny fandraisana didim-panjakana hanomezana tambin-karama ireo mpiantsehatra rehetra manatontosa ny hetsika fizarana kopian’ny soram-piankohonana faobe amin’ny alalan’ny fitsarana mitety vohitra na «jugement supplétif » sy ny fisitrahana karapondrom-pirenena ho an’ireo tsy mbola nisitraka izany. Tafiditra ao anatin’io ny mpitsara, mpiraki-draharaha, mpiandraikitra ny sora-piankohonana (secrétaire d’état-civil), ny mpitsabo, ny « opérateurs de saisie», ny mpaka sary, ireo mpiasan’ny distrika voakasiky ny asa tarihin’ny lehiben’ny distrika sy ny lefiny, ny lehiben’ny fileovana, ny sefom-pokontany, ny « quartiers mobiles »,… Mahatratra 29 805 izy ireo no hiparitaka any amin’ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, indrindra fa ireo lavitra sy saro-dàlana, ka noho izany no nanapahana hanomezana tambin-karama azy ireo, hoy ny Fanjakana. Notsiahivina ihany koa fa hisy ny « guichet unique » ahafahana manambatra ny asa rehetra takiana amin’ny sora-piankohonana aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana mba ho azon’ny olom-pirenena voakasika eo noho eo ny kopian’ny sora-piankohonana sy ny karapanondrom-pirenena. Inoana sy heverina avy hatrany fa vokatry ny firaisan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM sy ny Sendikan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana feo niara-nanatsahatra ny fampandehanana io tetikasa io no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. Efa natomboka ofisialy ny 01 septambra 2022 io, tsy nisy resaka tambin-karama, izay toa azo hadika fa tsy nieritreritra an’izany ny Fanjakana raha tsy nisy ny fampitsaharana nataon’ireo mpisehatra eo amin’ny Fitsarana. Heverina fa hanafaingana ny fiverenan’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha manohy izany ity fanapahan-kevitra ity satria efa nilaza rahateo ny mpitsara fa tsy izy ireo no sakana.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa