airtel

Actualités

20-déc-2022

Actualités

Nilamina ny raharaha QMM Hisy 2,5 miliara Ar hozaraina amin’ireo mpanantany

Sample post image

Niravona ny olana sy ny disadisa tao Taolagnaro mikasika ny raharaha QMM taorian’ny fifampiresahana voalaza fa tsy nisy teritery ny faran’ny herinandro teo,

20-déc-2022

nahitana ny Ny Minisitry ny jono sy ny toe-karena manga Mahatante Paubert, Ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny loharano stratejika Olivier Rakotomalala, Ny filohan’ny filankevim-pitantanana avy ao amin’ny orinasa jirama , Ny Governoram-paritra Anôsy Jocelyn Raharimbola , Ny mpikambana ao amin’ny OMC izay tarihin’ny lehiben’ny fileovan’ny Tolagnaro ary ny Depiote Zafinandro Perle , Ny tale jeneralin’ny orinasa QMM David Alexandre ary ireo solotenan’ny vahoaka mpanao fitakiana. Nisy ny fanapahan-kevitra izay noraketina an-tsoratra sy nosoniavin’ireo manam-pahefana sy solontenan’ny mpanao fitakiana. Noraisin’ny Fanjakana ny andraikitra momba ny fandaminana ny olan’ny mpanantany ara-drazana ka nanolorana vola mitotaly 2 miliara sy 500 tapitrisa ariary ho zaraina amin’ireo olona ao anaty lisitra vita «recensement parcellaire » tamin’ny 2022 ka manana zo hisitraka izany. Hisy ireo tetikasa fanampiana isan-tokatrano izay famatsiambolan’ny orinasa QMM tafiditra ao anatin’ilay RSE ao amin’ny bokin’andraikitra mitentina 10 tapitrisa Dolara mandritra ny telo taona. Noraisina ny tsy maintsy hiverenan’ny orinasa QMM amin’ny asa famokarany ary ny famerenana amin’ny laoniny ny famatsiana herin’aratra ny tananan’ny Tolagnaro. Tsara ny mampahatsiahy, fa nitentina hatrany amin’ny 4 tapitrisa dolara ny fatiantoky ny QMM tao anatin’ny tapa-bolan’ny fanakanana fotsiny, izay nanomboka ny 1 desambra, ary sambany no tsy nahafeno ny kaomandin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy hatramin’ny 2009 namokarany. Hatsahatra tanteraka ary tsy tokony hisy intsony ny fanakanan-dakana ataon’ny mpanao fitakiana taorian’ny fehin-kevitra notapahana, ary efa nesorina ireo sakana tao Maroamalona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap