airtel

Actualités

12-mars-2021

Actualités

Niravona ny olana any Nosy be Mitohy ny fanamboaran-dalana ataon’i Wawa

Sample post image

Nahazo fankatoavana avy amin'ny filoha Andry Nirina Rajoelina sy ny fitaleavana ankapoben’ny orinasa SIRAMA

12-mars-2021

 ny tetikasan'ny mpanakanto Wawa, taorian'ny fitarainana nataony omaly. "Nanaiky ity Projet Konka ity ny Ben’ny Tanàna, nanaiky avokoa ireo tompon’ny tany manodidina. Efa nanomboka iray volana ny asa, ary efa mandroso izany. Niezaka niantso ny Talen’ny SIRAMA ny tenako, kanefa milaza ho sahirana hatrany izy ary miteny ny hiantso afaka fotoana fohy, antso tsy mbola nisy anefa hatramin’izao. Izao moa nandefasany taratasy manakana ny fanamboaran-dalana ny tenako. Fanamboaran-dàlana izay tsy nisy mpijery efa ho 30 taona mahery, tena mampalahelo! Tokony nosakanany teny am-piandohana ny asa rehefa nitondra ireo fiarabe mpanamboatra làlana izahay. Voatery ajanona ny asa, raha tsy hoe foana ity fandrarana ity”. Niantso ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny vidéo tao amin’ny pejiny facebook i Wawa, tena nalahelo mafy, mba hanampy ahafahana mahazo ny fahazoan-dalana manohy ny asa.... Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nahazo valiny sady fankatoavana izany ka dia hitohy ny asa. Omaly tolakandro ihany dia tonga tao Dzamandzar nampahafantatra izany ny Solombavambahoaka Razafindravony Marifidy Christine dite Tatie Chris sy ny Ben'ny tanàna Vita Gibert. Voakasik’ity “Projet Konka” ity ny fanamboarana ho rarivato ny lalana avy amin'ny sampanan-dalana amin'ny CNaPS mankany amin'ny CEG Dzamandzar, faritra izay onenan'ity mpanakanto ity sy ireo tohatra rehetra amin'ny lalankely. Manodidina ny 240 tapitrisa Ariary no tetibidin’ny asa fanamboarana, izay haharitra roa volana eo, izay i Wawa no namatsy vola azy. Nilaza ity mpanakanto ity fa ny mpianatra sy ny vahoaka mipetraka amin'iny faritra iny no tena hahazo tombotsoa amin'ny fahavitan'ny lalana. Nilaza moa ny avy amin'ny SIRAMA fa resaka tsy fahatomombanana ara-taratasy no nampijanonana ny asa teo.

Jean D.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap