airtel

Actualités

12-mai-2026

NISANDOKA HO MPANAO

GAZETY, JIRAMA,…

Sample post image

Olona 3 voasambotra tany Talata Volonondry

12-mai-2026

Olona miisa 3 misandoka ho mpanao gazety no sady hoe : mpiasan'ny jirama no mbola mpiaro ny zon'ny mpanjifa ihany koa no voasambotry ny zandary any Talata Volonondry, ny faran'ny herinandro teo. Voalaza fa mpivarotra maro be manamorona ny lalam-pirenena fahatelo no nakan'izy ireo vola. Nosavain'izy ireo ny entam-barotra sy ny fitaovan'ireo mpivarotra ka taorian'izany dia nitaky vola izy ireo. 50 000, 70 000, 200 000 ariary isaky ny mpivarotra no nalainy hoy ny vaovao. Nitondra fiara 4x4 Kia, "vitre fumée", izy ireo ary nasiany soratra PRESSE teo amin'ny fitaratra anoloana. Rehefa nosamborina izy ireo dia nilaza fa manana Jeneraly sy Mpitsara miaro sy manavotra izy ireo hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin'i Pati
Légende : Manao fanamiana tahaka izao ny ankamaroan'ireo mpisoloky !
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap