airtel

Actualités

19-févr-2024

Nisoloky kafe mitentina 165 tapitrisa Ariary

Ramatoa iray naiditra am-ponja ao Farafangana

Sample post image

Ramatoa iray mpivarotra any Alakamisy Ambohimaha, Fianarantsoa,

19-févr-2024

no naiditra am-ponja vonjimaika any Farafangana ny alakamisy teo noho ny fisolokiana, raha ny fampitam-baovao voaray. Reseny lahatra ny olona ary rehefa mipetraka ny fifampitokisana dia hakàny vola be ampiasaina hoe hividianana kafe dia zaraina ny tombony. Ny taon-dasa, olona miisa 2 tany Farafangana no voasolokiny. Ny iray nakany 10 tapitrisa Ariary. Avy eo izy nitsoaka tany Alakamisy Ambohimaha. Ny iray nakany kafe 10 taonina. Nentiny tany Antsirabe sy Antananarivo ireo kafe ka natakalony entana ilaina amin'ny fiainana an-davan’andro hamidy ao Farafangana. Nomeny taratasim-bola tsy nisy anto-bola ny tompon'ilay kafe. Rehefa nohadihadian'ny zandary izy dia niaiky ary nilaza tamin'ny mpitory fa hamidiny ny kamiaony Actros hanomezana ny volany kanjo rehefa lafony ilay fiarany dia volan'olon-kafa any Antananarivo indray no naveriny. Hay izy ity efa nananan'olona vola be tany koa. Farany, tsy azo ny vola be tamin'ilay kafe 10 taonina mitentina 165 tapitrisa Ariary. Tonga nisambotra azy tany Alakamisy Ambohimaha ny zandary avy amin’ny GAPJ Atsimo Atsinanana ary izy izao nampidirina am-ponja izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap