airtel

Actualités

25-mars-2026

Nisotrosotro avy nanao

asa tanamaro Lasan’ny mpivarotena

Sample post image

ny tambin-karama

25-mars-2026

Lasan’ny mpivarotena ny tambin-karaman’ilay raim-pianakaviana vao avy nanao asa tanamaro ho fanarenana an’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza rehefa niaraka nisotrosotro ka niafara tany am-pandriana tamin’ireo mpivarotena ity lehilahy, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Tsy irery ilay lehilahy fa nisy namany 2 lahy ihany koa vao avy nandray karama toa azy. Voaroban’ireo vehivavy mpivarotena ko aizy roalahy ireo, raha ny vaovao voaray. Taorian'ny fisotroana tao amin’ny toeram-pivarotan-toaka izy ireo dia niaraka tamina vehivavy mpivarotena ny iray. Rehefa niverina nefa tsy hita popoaka avokoa ny volany rehetra vao azo. IIay vehivavy amin'io tsy fantatra izay momba azy. Mbola voa koa ireo namany 2 lahy niandry azy satria samy very vola tamin’ny fotoana iray io ihany koa. Nisy nandraraka vovo-javatra tamin’ny vera nisotroana ka voan'ny fandraikiraikena izy ireo. Ny iray voarebireby tamina fividianana finday sandoka. Ny iray resin-tory teo am-pisotrona ka noharonin’ilay mpivarotena ny volany, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap