airtel

Actualités

13-janv-2026

Nitantara ny niainany i Soalihy Moussa

«Taratry ny tena fanovàna ny fiasan’ny polisy!»

Sample post image

Nanaiky ny natao fanadihadiana

13-janv-2026

ny tenako manoloana ireo fiampangana ahy, hoy ny tomponandraikitry ny iraky ny fiadidiana ny repoblika teo aloha, Soalihy Moussa. Manana zo hiahiahy ahy ny mpitory dia ny fanjakana malagasy, hoy izy. Manana zo hanazava ihany koa ny voampanga. Tao anaty fifanajana tanteraka no nanantontosan'ny mpitandro ny filaminana ny asany. Nanomboka tamin’ny fisavàna ny tranako, ny fanadihadiana natao tamiko sy fitazomana ahy tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava na BC. Tsy nisy herisetra, tsy nisy fampihorohoroan-tsaina fa tena najaina ny zoko rehetra. Na ny minisitry ny polisy aza dia tonga nijery ahy tao amin’ny BC ary nanontany ny fomba fandraisana ahy tao, izay hisaorako azy amin'izay fananany «humilité intellectuelle» na fanentren-tenana olona nianatra izay. 15 andro aho no tao amin’ny BC. Nitety ireo sampana rehetra mihitsy. Ny azoko lazaina dia niova sy miha tsara ny fiasan'ireo polisy. Tsy tamin’ny mikasika ahy irery fa hitako daholo ireo olona tonga mitaraina ao nandritry ny naha tao ahy. Raha misy ny tena minisitera anisany ahitana taratra izany atao hoe fanovàna dia io minisitera io. Mananteraka ny vinanao io sampan-draharaha io andriamatoa filohan’ny fanavaozana dia ny hoe polisy manakaiky vahoaka. Mendrika omena tehaka ianareo Polisy. Sady miarahaba anareo manam-boninahitra rehetra amin’izao 12 janoary, izay fetinareo izao. Eto dia tsy haiko ny tsy hisaotra anareo rehetra nijoro sy nitondra am-bavaka ahy. Isaorako manokana ireo tsy mitovy fomba fijery tamiko néfa nijoro niaro ahy. Zanahary manan-karem-pahasoavana anie hamaly soa anareo. Nareo no tena mpisolovava ahy tao. Navelako nanao ny asany ny fanjakàna tamin’ny alalan'ny minisiteran’ny Fitsaràna sy polisy hanao ny fanadihadiana. Zon'izy ireo no mampiantso olompirenena iray raha misy zavatra mampiahiahy azy ireo. Rehefa hita kosa fa tsy mitombina ny fiampangàna izay mampiahiahy an'ilay olona iray dia tokony averina aminy ny fahafahany. Mirindra ny fiaramonina politikantsika raha mitohy izany fomba izany. Taratry ny tena fanovàna ny fiasan’ny polisy, hoy hatrany ny tenany!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap