Tokony hitandrina araka izany ny rehetra indrindra fa amin’ny ankizy madinika izay mbola tsy tompon’ny tenany amin’ny filalaovana afokasoka na briquet na ihany koa ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Trano miisa 97 tafo no indray kilan'ny afo vokatr’izany tao amin’ny Fokontany Volambita Distrikan’i Beroroha ny 03 Aogositra lasa teo. Olona 582 mianaka no indray tsy manan-kialofana vokatr’izany ka anisan’ireny ny zaza amam-behivavy. Afo nolalaovin'ny zaza tao amina tokantrano iray moa no niteraka izao loza mahatsiravina izao. May avokoa ny entana rehetra tao amin’ireo trano ireo noho izany raha toraka izany koa vary amin’ny kitapo sy ny vokatra maro samihafa. Samy mialokaloka any amin’ireo olom-pantany avokoa ireo fianakaviana ireo noho izany raha misy ireo namonjy ny biraom-pokontany….
Pati Legende : Tsy misy na inona na inona intsony eto amin’ity tanana ity !
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny