tampoka ka niboraka ny tsinainy. Tao amin’ny Fokontany Fontsimaro, kaominina ambanivohitr’i Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra no nitrangan’izany ny Alakamisy 30 Janoary lasa teo. Nilalao ary nanatona io akoholahy mpiady io ilay zaza hoy ny loharanom-baovao. Tombanana ho noheverin’ilay akoho ho mpifaninana aminy izy nandritra izany ka nikopahany indray mandeha. Tsy afa-nihetsika ihany koa ilay zaza nandritra izany. Tombanana ho ny fantsin’ilay akoho moa no nahazo ny kibony, antony nampiboraka ny tsinainy. Na izany aza efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay zazalahy kely. Tsiahivina fa ankoatra ny kibo dia anisan’ny arovana mafy amin’ny akoholahy mpiady tahaka ireny ny maso mba tsy ho sanatria ho kaikeriny ka mety hiongotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana : Mety hamono tampoka ny akoholahy mpiady ka tokony hotandremana ny manakaiky azy !
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana