airtel

Actualités

03-févr-2025

NOKOPAHAN’NY AKOHOLAHY

Zaza 5 taona nibora-tsinay tany Mananara Avaratra

Sample post image

Zazalahy kely iray vao 07 taona monja no fantatra fa nikopahan’ny akoholahy mpiady iray

03-févr-2025

tampoka ka niboraka ny tsinainy. Tao amin’ny Fokontany Fontsimaro, kaominina ambanivohitr’i Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra no nitrangan’izany ny Alakamisy 30 Janoary lasa teo. Nilalao ary nanatona io akoholahy mpiady io ilay zaza hoy ny loharanom-baovao. Tombanana ho noheverin’ilay akoho ho mpifaninana aminy izy nandritra izany ka nikopahany indray mandeha. Tsy afa-nihetsika ihany koa ilay zaza nandritra izany. Tombanana ho ny fantsin’ilay akoho moa no nahazo ny kibony, antony nampiboraka ny tsinainy. Na izany aza efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay zazalahy kely. Tsiahivina fa ankoatra ny kibo dia anisan’ny arovana mafy amin’ny akoholahy mpiady tahaka ireny ny maso mba tsy ho sanatria ho kaikeriny ka mety hiongotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Sary fanehoana : Mety hamono tampoka ny akoholahy mpiady ka tokony hotandremana ny manakaiky azy !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap
12-juin-2025

Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe

Card image cap
11-juin-2025

Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,

Card image cap
11-juin-2025

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

Card image cap