airtel

Actualités

27-oct-2025

Nosy Be Hell Ville

Mpikajy ny fananan-tany iray mampikolay vahoaka

Sample post image

velon-taraina ny olom-pirenena

27-oct-2025

manan-draharaha ao Nosy Be Hell Ville manoloana ny fihetsiky ny inspecteurs de domaines sady mpikajy ny fananan-tany na Conservateur foncier iray, nanomboka tamin’ny taona 2022. Tratry ny fiampangana ho tsy mahafehy ny andraikiny ara-dalàna, manemotra hatrany ny fotoana ifanomezana, ary tsy manao tamberin’andraikitra mivantana amin’ireo mitady fanampiana. Izy ihany no tsy manaja ny fotoana nomeny, fa aleony manao dia tampoka, mitsidika tany tsy anaty fandaharam-potoana, hoy ny olom-pirenena. Ireo fihetsika ireo dia fialana amin’ny andraikiny amin’ny maha mpikajy ny fananan-tany azy, indrindra amin’ny antontan-taratasy sarotra. Fa amin’ireo antontan-taratasy ahitana tombontsoa manokana, indrindra amin’ny resaka kolikoly sy baiko miafina, dia mandeha ny fankatoavana sy asa tsy ara-dalàna, hoy ny fanamarihana. Tsy manaraka ny baikon’ny lehibeny mivantana, fa aleony miazo Antananarivo hihaino torohevitra avy amin’ireo mpaniraka azy. Na dia tsy mamirapiratra amin’ny fahaiza-manao aza, dia manao fihetsika toy ny olona tsy azo kitihina noho ny mpiaro ambony. Ireo antontan-taratasy tiany hokarakaraina ihany no karakarainy, ka na dia efa naato aza ny fanoratana anarana amin’ny anaran’ny olon-tsotra toy ny amin’ny tany SIRAMA, dia mbola manatanteraka fanovana amin’ny antontan-taratasy sasany ihany rehefa mahazo baiko avy amin’ireo “lehibeny miafina”, hoy hatrany ny fitarainana. Amin’ny antontan-taratasy tsotra, dia aleony mandà tsy hanoratra sy hanao firaketana amin’ny fomba ara-dalàna, raha tsy hoe mahazo vola amin’ny kolikoly. Tsy miraharaha ny baiko avy amin’ny lehibeny ara-dalàna, toy ny Directeur de Cabinet, Directeur Général des Services Fonciers, na avy amin’ny Primature sy ny Présidence, fa aleony mandefa fangatahana amin’ny fitsarana hoe inona no tokony hatao, hoy hatrany ny fanamarihana. Noho izany, lavina na tsy arahina ny fitarainana, na mandany taona maro vao voakarakara. Manomboka amin’ny TPI Nosy Be ka hatrany amin’ny PAC Majunga-Diego, dia tsy misy vokany. Maro amin’ireo mpanjifa no mitaraina ho mijaly noho ny kolikoly amin’ny fanoratana anarana amin’ny tany, raha tsy izany dia miandry ela mandra-pahazoany vola. Ny tranga farany dia tamin’ny 14 Oktobra 2025, nandritra ny fitsarana tao amin’ny TPI Nosy Be, izay niatrika fitsarana nefa nandefa hafatra tamin’ny findainy, tsy niraharaha ny mpitsara, nijery famantaranandro matetika. Toy ny fako aminy ny fitsarana, hoy ny fanehoan-kevitra. Ka iza no mpiaro azy ao amin’ny fitsarana? Nahoana no tsy misy vokany ny fitarainana sy fanamelohana, na dia misy porofo sy antony ara-dalàna aza? Nahoana no tsy misy sazy ara-pitantanana na fanadihadiana ataon’ny BIANCO, na dia efa nisy fitoriana maro? Iza no tena mahazo tombontsoa amin’ireo fihetsika ataony? Heverina fa tambajotra goavana no ao anatin’ny afera amin’ny fananan-tany tahaka izao. Tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Ny raharaha mikasika ity tompon’andraikitra ambony mampitaraina vahoaka toy izao no isan’ny mila jerena sy handraisana fepera, indrindra avy amin’ny manampahefana ambony (PRRM sy PM) izay mikasa hanavao sy hanadio ny fitantanana, hoy ny antso avo.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap