Mila mitandrina sy miomana mafy noho izany isika eto Madagasikara. Raha ny tombana miainga amin’ny antontan’isa ofisialy eo am-pelantanana, mahatratra 327 876 ny olona mety ho traboina izay avy amin’ny tokantrano 65 575 raha tombatomban’ny Sampan-draharaha misahana ny loza sy ny tandindon-doza. Ankoatra ny fanetsehana ireo « Centre opérationnel » vaovaon’ny BNGRC, nohamafisina ihany koa ny fanentanana sy fanairana ataon’ireo manam-pahefana eny ifotony. Nambara fa miomana amin’ny fanesorana mialoha ireo olona mipetraka amin’ny toerana tandindon-doza toy tondra-drano sy fihotsahana ; mamatsy ireo filàna sy manao hetsika amin’ny distrika maro tahaka an’i Mahanoro, Ikongo, Mananjary, Fianarantsoa I. Voalaza fa vonona ihany koa ny efitranon-tsekoly vonjimaika sy fitaovam-pianarana 20 000 any Vatovavy Fitovinany,…
Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto