Izay, hoy izy, no anton’ny famelabelaran-kevitra ataoko ao amin’ny arsivam-pirenena etsy Tsaralalana ny 10 martsa izao. Ho ampahafantarina bebe kokoa ny fivoaran’ny fiainan’ny vehivavy nanomboka faha vazimba mandrak’ankehitriny. Nanao ahoana marina ny anjara toeran’ny vehivavy fa tahaka ny manao fijery miiba foana isika? Nanana anjara toerana lehibe anefa ny vehivavy. Ny fizarana voalohany no hiresahana ny fivoaram-piainan’ny vehivavy. Somary hijoro vavolombelona aho amin’ny fizarana faharoa mikasika ny fampivoaram-piainan’ny vehivavy. Eo ny fampivoaram-piainana eo amin’ny lafiny fameloman-tena, ny lafiny finoana, ny lafiny fanabeazana, ny lafiny ara-piarahamonina ary amin’ny samy vehivavy. Atao ny 10 martsa izy io satria isaky ny zoma moa no misy izay loha-bary an-dasy izay ao amin’ny arsivam-pirenena. Mila manova toetsaina isika amin’ny fijerena manokana ny vehivavy satria mendrika anjara toerana kokoa ny vehivavy. Izy no miantoka ny atsasa-manilan’ny mponina eto Madagasikara. Mifameno sy mifanohana hatrany ny lehilahy sy ny vehivavy raha ny tantaram-pirenena no jerena. Izy no manome taranaka ny vahoaka malagasy ary manabe ny zanany sy ny manodidina azy voalohany. Na amin’ny toeran’ny fanapahan-kevitra na amin’ny toeran’ny fitantanana eto Madagasikara dia ambany dia ambany ny tahan’ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy vokatry ny fomban-drazana sy ny kolontsaina tandrefana izay manao ny vehivavy ho toy ny fitaovana, indrindra, tamin’ny andron'ny fanjanahantany. Ny azo hanarenana azy voalohany dia fanomezan’ny vehivavy ohatra tsara. Mila mampiseho izy, na any anaty fiarahamonina na asa, fa mendrika ilay toerana. Manaiky ho azy ny fiarahamonina rehefa vitany izany, hoy hatrany ity mpahaitantara ity.
J. Mirija
Legende: Ny mpahaitantara, Fara Ratsaratoetra
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa