airtel

Actualités

24-mars-2026

Ny Antsa Rakotobe

«Tsy famerenana tsimatimanota ny fanavaozana»

Sample post image

Ala nenina ialàna amin’ny hoe

24-mars-2026

mandainga ilay minisitra rehefa tonga eo amin’ny toerany no anton’ilay fitsirihana lainga na «détecteur de mensonge» na «polygraphe», hoy ny filohan’ny vehivavy KFIM, Ny Antsa Rakotobe. Efa nolazaina fa tsy hamoaka 100% olo-marina nefa iny, hoy izy. Hitohy any amin’ny fifampiresahana manokana na «entretien» sy fijerena ny fahamendrehana na «enquête de moralité» avy eo ny fanadihadiana. Eo izany no hijerena ny efa nataon’ilay olona sy ny mety mbola ho ataony ahafahana misafidy avy eo. Ny resaka ampamoaka miparitaka amin’izao fotoana izao dia resaka politika. Misy manao politika madio. Misy manao politika maloto. Rehefa navoaka ve ilay resaka volabe tao amin’ny fitsaràna momba ny vola na «cours des comptes» hoe ireto sy ireto avy no zava-misy dia nipoitra tampoka ny ampamoaka hoe hanasoketàna ny filohan’ny fanavaozana ankehitriny? Mendrika hanaovana fanadihadiana foana na izany aza ny zavatra rehetra. Raha tena nisy tokoa izany, inona moa no tsy hanokafana fanadihadiana? Jerena izay nanao ny tsy nety teto amin’ity firenena ity dia omena ny sahaza azy. Matoky aho fa manana ny etikany ny filoha Michael Randrianirina ka tsy hanaotao foana. Fanakorontanana saim-bahoaka mialohan’ny fanendrena governemanta no fijeriko azy. Eo ny minisitra matahotra tsy hiverina eo intsony. Eo ny miezaka manakorontana mba hiverenany. Tsy famerenana tsimatimanota ny fanavaozana. Mila mandinika am-pitoniana ny zava-misy ny filohan’ny fanavaozana. Mila mijery ny anton’ny tolona nisy tao anatin’izay 17 taona izay. Izay manana ny fahaiza-manao ilay sy tsy mbola nangalatra no tokony omena fitondràna, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap