amin’ity resaka delestazy sy fahatapahan-drano ary fidangananan’ny vidin’ny filàna isan-karazany amin’izay lafiny fifandraisan-davitra izay ity, na resaka antso an-tariby io na fifandrohizana toy ny «connexion» sy aterineto. Miditra manampy trotraka koa ny tolotra amin’ny satelita na irony tolotrana fahitalavitra maneran-tany irony. «Canal» moa no ahafantaran’ny sarambaben’ny malagasy azy. Misy amin’ireo tomponandraikitra amin’izy ireny moa no vitan’ny mampita- fialan-tsiny fotsiny amin’ireo mpanjifa amin’ny alalan’ny filazàna fa olana avy anya m-potony no maha tapaka ny fampitàna ireo sary amin’ny satelita mandritry ny fotoana tsy voafaritra. Ao koa anefa ireo milaza fa noho ny olana amin’ny resaka toetr’andro no mahatonga izany. Vao tsy ela rahateo no nampita ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro eto amintsika fa misy andro ratsy mampanahy ao amin’ny fari-dranomasin’ny nosy ao. Asa hoe inona indray koa ny manaraka!?
J. Mirija
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa