airtel

Actualités

07-mars-2022

Actualités

Ny mpanao facebook migadra Ny afera amina miliara vitavita ho azy

Sample post image

Henjana ny fanenjehana sy fampiantsoana noho ny famoaham-baovao amin’ny tambazotran-tserasera tato ho ato ataon’ity Fanjakana Rajoelina ity.

07-mars-2022

Miteraka fampidirana am-ponja mihitsy, mitombo isa ireo olona gadraina noho ny fanehoan-kevitra amin’ny tambajotran-tserasera manara-dia an-dry Berija Ravelomanantsoa. Ny fiandohan’ity volana ity mantsy no naiditra am-ponja Randriamanana Jeannot, ilay lehilahy namoaka vaovao tao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny fisian’ny sakoroka tao Nosy Varika noho ny fahatezeran’ny olona vokatry ny fizarana mitarazoka. Raharaha hafa koa anefa no nanenjehana azy satria voalaza fa notorian’ny Chef Cisco sy ny depiote iray izy noho ny famoaham-baovao tao amin’ny facebook nilaza hoe: “Nolavin'ny Chef Cisco Rakoto Paul Deny Alphonse ny fanendrena mpampianatra hiasa ao amin'ny birao Cisco Nosy Varika avy tamin'ny DRH-MEN noho ny baiko avy amin'ny Solombavambahoaka "Baofeno Micheline". Ny Cisco Vohipeno sy Manakara dia tsy nahitana olana na sakana satria fanendrena (décision)”. Nisy antontan-taratasy ara-panjakana navoakany nanehoany an’izany, saingy voasokajy ho tsy mitombina sy fanalam-baraka mpitondra Fanjakana izany no nataony raha zohiana amin’ny fanagadrana. Ny 10 martsa izao anefa no voatondro hanaovana ny fitsarana. Misy kosa olom-boafidy iray any an-toerana naneho fa “mampatahotra ny milaza ny marina any an-toeran”, ary ity Randriamanana Jeannot ity no hany sisa nahasahy nijoro nilaza ny zava-misy. Tany Ikongo, dia efa nohorohorohina nampanantsoina tany amin’ny Polisy i Andry Tafaray ilay namoaka ny fisiana fizarana fanampiana tamin’ny “madco” sy “kapsily”, fa ity tany Mananjary ity izany tonga dia any am-ponja aloha miandry fitsarana satria manohintohina ny ngeza. Mazava ary miharihary ankehitriny, fa ny mpaneho hevitra sy mpamoaka vaovao misy hita fa mitombina, fa tsy mety amin’ny manam-pahefana na tandrohana amin’ny fampanantsoana samihafa, na hadoboka any am-ponja, fa ny mpanao afera amina miliara hodiana adala tsy misy tohiny. Firifiry izay raharaha goavana mombana fanodinkodinana volam-panjakana, trafikana harena an-kibon’ny tany, kolikoly avo lenta,… fa vitavita ho azy. Raha miainga amin’ny ampamoaka tamin’ny ahiahina kolikoly goavana tao amin’ny minisitran’ny fahasalamana fotsiny, ohatra, efa maro no tokony ho tany am-ponja vonjimaika. Betsaka ny ahiahy goavana tamin’ny fitantanana ny volan’ny covid-19 saingy hatreto mbola migalabona amin’ny trosa sy fanampiana amin’ny anaran’ny Malagasy ny maty fanahy mety tsy iray na roa na telo fa maro. Mby aiza ny raharaha “écran plat”? Aiza ny tohin’ny raharaha “bonbons sucettes”? Inona ny tohin’ny ampamoakan’i Ravo Nambinina Ramasomanana momba ny volabe tsy toko tsy forohana efa ho 50 miliara Ar tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana? Mbola nisy ampamoaka hafa nataona fampahalalam-baovao tato aoriana fa 7 miliara Ar indray no naodinkodina? Tsy heloka bevava noho ny fanehoan-kevitra sy vaovao tsy levon’ny vavonin’ny manam-pahefana amin’ny facebook ireny!!?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap