airtel

Actualités

10-nov-2022

Actualités

Olan’ny Jirama Andrasana izay tena vahaolana matotra

Sample post image

Tale miisa 36 ao amin'ny orinasa Jiro sy rano malagasy na Jirama no hiakatra eny amin’ny PAC na ny “Pôles Anti-Corruption”,

10-nov-2022

izany hoe ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly. Io moa no vaovao farany novoizin’ny minisitra tomponandraikitra sy ny ekipany farany teo mikasika ny olana misy eo amin’ity orinasam-panjakana ity. Isan’ny fanontaniana mipetraka ny hoe izao angaha moa izany vao fantatra fa misy fitantanana tsy mazava ao amin’ity orinasa ity? Tao anatin’ny 47 taona ve izany dia tale miisa 36 fotsiny no tokony ho tratran’izany karazana fanadihadiana izany? Ary ireo tale jeneraly sy ireo tomponandraikitra hafa, eny, minisitra mihitsy sy ny ankoatran’izany rehetra izany aza? Ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao moa mahita izany rehetra izany dia te hametra-panontaniana hoe izany ve izany no hamerina ny fahatomombanan’ny famatsiana jiro sy rano avy amin’ity orinasa tokony hanjaka tokana eo amin’izay sehatra izay ity? Fanodinkodinana saim-bahoaka na “diversion” atao haharitra hatramin’ny oviana indray izany rehetra izany rehefa tsy tanteraka ilay famahana olana hoe 6 na 8 volana fara-faha elany? Miandry ny tena vahaolana ny rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap